Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hagarita

Hagarita

(Hagarìta) [mety hidika hoe An’i Hagara].

Toa firenena mpiompy nipetraka an-tranolay tany amin’ny faritra atsinanan’i Gileada. Resin’ireo Israelita nonina tany atsinanan’i Jordana ny Hagarita tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka, ka nahazoany babo 100 000, rameva, ampondra, ary ondry an’arivony. (1Ta 5:10, 18-22) Milaza ny mpanao salamo fa fahavalon’ny Israely ny Hagarita, toy ny Edomita sy Moabita sy Amonita ary Amalekita. (Sl 83:2-7) Hagarita anefa i Jaziza, ilay niandraikitra ny ondry aman’osin’i Davida Mpanjaka.​—1Ta 27:31.

Mihevitra ny manam-pahaizana maro fa angamba ireo Agraiôi noresahin’i Strabon sy Ptolémée ary Pline, samy mpahay jeografia fahiny, no Hagarita. Tsy fantatra anefa raha tena taranak’i Hagara izy ireo na tsia.