Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hagay

Hagay

(Hagày) [[Teraka] Andro Fety].

Mpaminany hebreo tany Joda sy Jerosalema, tamin’ny andron’i Zerobabela Governora sy Dariosy Hystaspe mpanjakan’i Persa.​—Hg 1:1; 2:1, 10, 20; Ezr 5:1, 2.

Anisan’ny Synagoga Lehibe (antokona olon-kendry) i Hagay, hoy ny lovantsofina jiosy. Mety ho mpisorona, hono, izy, rehefa jerena ny Hagay 2:10-19. Miara-voatonona izy sy Zakaria mpaminany ao amin’ny teny mampiditra ny Salamo faha-111 (112) ao amin’ny Vulgate latinina, 125 sy 126 ao amin’ny Peshitta syriàka, 145 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy Peshitta ary Vulgate, ary 146, 147, ary 148 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy Peshitta. Mety ho teraka tany Babylona i Hagay, ary niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela sy ny Jiosy sasany (537 T.K.). Tsy resahin’ny Baiboly anefa ny razambeny, ny fokony, sy ny sisa.

I Hagay no mpaminany voalohany taorian’ny sesitany, ary lasa mpaminany koa i Zakaria, roa volana teo ho eo taoriany. (Hg 1:1; Za 1:1) Efa niato ny fanorenana ny tempoly noho ny fanoheran’ny fahavalo, nefa lasa niato elaela noho ireo Jiosy tsy niraika sy variana nikatsaka harena. Nanentana azy ireo hazoto hanorina ny tempoly indray àry i Hagay. (Ezr 3:10-13; 4:1-24; Hg 1:4) Ny tena nandrisika azy ireo voalohany dia ny hafatra efatra avy tamin’Andriamanitra nampitainy (ary nosoratany ao amin’ny bokiny) nandritra ny efa-bolana teo ho eo, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy Hystaspe (520 T.K.). (Hg 1:1; 2:1, 10, 20; jereo HAGAY, BOKIN’I.) Mbola nanentana azy ireo i Hagay sy Zakaria, mandra-pahavitan’ilay tempoly tamin’ny faramparan’ny taona fahenina nitondran’i Dariosy (515 T.K.).​—Ezr 5:1, 2; 6:14, 15.