Haides
Avy amin’ny teny grika hoe haides, ary mety hidika hoe “ny toerana tsy hita maso.” Miverina impolo ny hoe “Haides” ao amin’ny sora-tanana tranainy indrindra misy ny Soratra Grika Kristianina.—Mt 11:23; 16:18; Lk 10:15; 16:23; As 2:27, 31; Ap 1:18; 6:8; 20:13, 14.
Nandika azy io hoe “afobe” na “fitoeran’ny maty” ny Fandikan-teny Katolika. Ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara kosa nanao hoe “toeran’ny maty”, afa-tsy ao amin’ny Matio 16:18 izay mampiasa hoe “herin’ny fahafatesana” na “vavahadin’ny Hadèsy” (f.a.p.). “Haides” fa tsy “afobe” no ao amin’ny Baiboly maoderina maro.
Miverina in-73 ny hoe “Haides” ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Genesisy ka hatramin’ny Malakia nadika tamin’ny teny grika), ka in-60 izy io no nadika avy amin’ny teny hebreo hoe sheʼôhl na “Sheôl.” Haides no teny grika mifanitsy amin’ny hoe Sheôl. Io mantsy no nampiasain’i Lioka, mpanoratra nahazo ny herin’ny fanahy masina, tamin’izy nandika ny teny nalain’i Petera tao amin’ny Salamo 16:10. (As 2:27) Nadikan’ny Baiboly hebreo maoderina sivy hoe “Sheôl” kosa ny hoe Haides ao amin’ny Apokalypsy 20:13, 14. Ny dikan-teny syriàka indray manao hoe Shiol.
Misy ifandraisany amin’ny fahafatesana foana ny Haides ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, rehefa jerena ny andininy misy azy io na ny teny FASANA; SHEÔL.
manodidina, afa-tsy ao amin’ireo andininy roa hodinihina eo amin’ny fehintsoratra manaraka. Tsy fasan’olona iray na fasam-pianakaviana (gr.: tafôs na mnema) na fasana tokana atao ho fahatsiarovana (gr.: mnemeiôn) ny hoe Haides, fa fasana misy ny maty rehetra, ary tsy hita maso izay maty milevina ao. Mitovy amin’ny hoe “Sheôl” àry ny hoe Haides, ary manamafy izany ny fandinihana an’ireo andininy folo ahitana azy io.—JereoAo amin’ny Matio 11:23 (f.a.p.) no ahitana voalohany ny hoe Haides. Niteny mafy an’i Kapernaomy i Jesosy Kristy, satria tsy nanam-pinoana ny mponina tao. Hidina any amin’ny Haides na haetry tanteraka i Kapernaomy, hoy izy, na dia toy ny hoe nasandratra ho any an-danitra aza rehefa nanompo tao izy. Mitovy amin’izany koa ny voalazan’ny Lioka 10:15 (f.a.p.). Ilazana toerana ambany koa ny hoe Sheôl ao amin’ny Joba 11:7, 8 (f.a.p.).
Nafahana tao i Jesosy sy ny fiangonana. Hoy i Jesosy: “Tsy haharesy [ny fiangonana kristianina] ny vavahadin’ny Haides [“herin’ny fahafatesana”, DIEM].” (Mt 16:18, f.a.p.) Hoy koa i Hezekia Mpanjaka rehefa ho faty: “Hiditra eo am-bavahadin’ny Sheôl aho, amin’izao androko izao.” (Is 38:10, f.a.p.) Ho resy àry ny Haides, araka ny fampanantenan’i Jesosy, rehefa hisokatra ny ‘vavahadiny’ ka hivoaka avy ao ireo hatsangana amin’ny maty, toy ny tamin’i Kristy Jesosy nivoaka tao.
Niditra tao amin’ny “vavahadin’ny Haides” i Jesosy rehefa nalevin’i Josefa avy any Arimatia. Toerana an’ohatra mantsy ny Haides na ny fasana misy ny maty rehetra. Hoy i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33: “Tsy nafoy tao amin’ny Haides i Jesosy sady tsy lo ny nofony. Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izany Jesosy izany, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.” (As 2:25-27, 29-32, f.a.p.; Sl 16:10) Nisokatra ho an’i Kristy Jesosy “ny vavahadin’ny Haides” (Mt 16:18, f.a.p.) rehefa natsangan’ny Rainy avy tao izy, fa mbola tavela tao kosa i Davida tamin’ny andron’i Petera. (As 2:29) Nomena fahefana hanangana ny maty i Jesosy avy eo (Jn 5:21-30), ka izy no manana “ny lakilen’ny fahafatesana sy ny Haides.”—Ap 1:17, 18, f.a.p.
“Faritra maizina tsy tratran’ny masoandro any ambanin’ny tany” ny Haides, hoy ny angano grika fahiny. Tsy io anefa ilay Haides resahin’ny Baiboly satria tsy nino ny Grika hoe hitsangana izay any amin’io tontolon’ny maty resahin’ny angano io.
Heviny an’ohatra. Resahin’ny Apokalypsy 6:8 (f.a.p.) fa manaraka akaiky an’ilay mitaingina soavaly hatsatra (Fahafatesana) ny Haides, mba handray an’ireo matin’ny ady, mosary, aretina, ary bibidia.
Hamoaka ny maty ao aminy ny ranomasina sy ny fahafatesana ary ny Haides. (Ap 20:13, 14, f.a.p.) Ny maty rehetra no hivoaka, matoa voaresaka koa ny ranomasina (fasan’izay olona maty an-drano) ankoatra ny Haides (fasana anaty tany misy ny maty rehetra). Hatsipy ao amin’ny “farihy afo” na “fahafatesana faharoa” avy eo ny fahafatesana sy ny Haides (fa tsy ny ranomasina). Toy ny hoe ho ‘faty’ àry ny Haides (Sheôl, na ny fasana misy ny maty rehetra) sy ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama satria ho foana.
Miresaka momba ny Haides koa ny tantaran’ilay “manankarena” sy “Lazarosy” ao amin’ny Lioka 16:22-26 (f.a.p.). Fanoharana izy io ary tsy tokony horaisina ara-bakiteny rehefa jerena ny andininy rehetra nodinihina teo. Tsara homarihina anefa fa “nalevina” tao amin’ny Haides ilay “manankarena.” Porofo koa izany fa ny fasana misy ny maty rehetra ny Haides.—Jereo GEHENA; TARTARA.