Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Haingo, Ravaka

Haingo, Ravaka

Zavatra anaovan’ny olona mba hahatsara tarehy sy hampisy endrika azy na hanome voninahitra ny toerana tanany, angamba noho ny antony tsara na noho ny fitia te hamitaka. Hadarah (heb.) avy amin’ny fototeny hoe hadar (“haja”) no nadika hoe “haingo.” (Oh 14:28; Ft 5:12) Kôsmôs (gr.) koa no nadika hoe ‘haingo’ (1Pe 3:3) na hoe “tontolo”, ary kôsmeô ny matoanteny nadika hoe “mandravaka.”​—Tit 2:10.

Tsy ratsy ny mihaingo araka ny antonony. Voalaza, ohatra, fa toy ny mitafy hazavana sy voahodidina zavatra tsara tarehy i Jehovah. (Sl 104:1, 2; Ezk 1:1, 4-28; Ap 4:2, 3) Ravahany loko sy voninahitra koa ny zavaboariny isan-karazany. (Lk 12:27, 28; Sl 139:14; 1Ko 15:41) Asongadin’ny Soratra Masina anefa fa zava-dehibe kokoa ny toetra tsara.

Nihaingo ny mpampakatra sy ampakarina fahiny rehefa hanao ny fampakaram-badiny. Izay akanjo sy firavany tsara indrindra no nanaovan’ilay vehivavy, rehefa niomana hihaona tamin’ilay ho vadiny izy. (Sl 45:13, 14; Is 61:10) Noharin’i Jehovah tamin’ny vehivavy nampanaoviny akanjo sy firavaka faran’izay tsara sy lafo vidy i Jerosalema. Nivadika anefa izy io ka nivaro-tena satria tsara tarehy sy nihaingo be. (Ezk 16:10-19) Nomelohin’i Hosea mpaminany ny firenen’Israely, satria toy ny vehivavy nihaingo mba hanangoly lehilahy sy hanompo sampy. (Ho 2:13) Hampodiana ny Israelita natao sesitany tany Babylona, hoy i Jehovah, ka hihaingo indray noho ny hafaliany sy haravoany.​—Is 52:1; Je 31:4.

Voaravaka tsara ny tempolin’i Jerosalema sy ny tranom-panjakana naorin’i Solomona, ka talanjona erỳ ny mpanjakavavin’i Sheba nahita izany. (1Mp toko 6, 7, 10) Voaravaka vato tsara sy zavatra voatokana ho an’Andriamanitra koa ny tempoly tsara tarehy naorin’i Heroda. Tsy hisy hilana azy anefa ireo, hoy i Jesosy, rehefa hiharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra i Jerosalema nivadika.​—Lk 21:5, 6.

Fahombiazana sy voninahitra ho an’ny mpitondra ny hamaroan’ny olona mifidy ny fitondrany sy faly amin’izany, ka toy ny hoe voaravaka ny fanjakany. (Oh 14:28) Mahazo voninahitra toy izany i Jehovah noho ny Fanjakan’ny Mesia.​—Sl 22:27-31; Fi 2:10, 11.

Torohevitra ho an’ny Kristianina. Imbetsaka i Jesosy sy ny apostoliny no nilaza fa tsy tokony hatoky ny harena ny Kristianina, na hihaingo mba hisehosehoana. Tokony “hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena” ny vehivavy, hoy ny apostoly Paoly, “fa tsy amin’ny randram-bolo niangaliana fatratra, na amin’ny volamena na perla na fitafiana tena lafo vidy.” (1Ti 2:9) Niangaliana be ny volon’ny vehivavy ary nihaingo be izy ireo noho ny fanarahana ny kolontsaina grika, tamin’ny andron’ireo apostoly. Nety tsara àry ny torohevitr’i Petera hoe tsy tokony “ho zavatra ivelany toy ny firandranam-bolo sy ny fanaovana firava-bolamena na akanjo ivelany” ny haingon’ny vehivavy kristianina, fa tokony ho “ilay toetra miafina ao am-po, izay toy ny manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika”, tahaka ny firavaky ny vehivavy tsy nivadika fahiny.​—1Pe 3:3-5.

Afaka mandravaka ny fampianaran’Andriamanitra sy misarika ny olona ho amin’izany ny Kristianina, raha manao asa tsara ka manome fampianarana madio, mato-tsaina, mampiasa teny mahasoa, ary tsara fitondran-tena foana. (Tit 2:10) Izany no mahatonga ny ampakarin’i Kristy, na ny fiangonana kristianina, ho tena tsara tarehy eo imason’i Jesosy Kristy vadiny. “Efa voaomana tahaka ny ampakarina mihaingo hihaona amin’ny vadiny” izy io. (Ap 21:2) I Babylona Lehibe kosa miravaka haingo ara-bakiteny, izay karamany noho izy mivaro-tena.​—Ap 18:16; jereo FIRAVAKA SY VATOSOA; FITAFIANA; RAVAKA; ZAVATRA FANATSARANA TAREHY SY BIKA.