Hakamoana
Toetran’olona tsy marisika hiasa na hanao zavatra mitaky ezaka; tsy tia manao an’izany; midonana-poana na mipetrapetra-potsiny; malaina; ary tsy mazoto hanao zavatra. ʽAtsal no matoanteny hebreo nadika hoe “malaina” (Mpts 18:9), ary “kamo” no nandikana ny mpamari-toetra avy amin’io matoanteny io. (Oh 6:6) Ôknerôs kosa no teny grika midika hoe “kamo, malaina.” (Mt 25:26; Ro 12:11) Teny grika hafa midika hoe “kamo, tsy mazoto” ny nôtrôs.—He 5:11; 6:12.
Halan’i Jehovah sy ny Zanany ny hakamoana, satria izy ireo no mpiasa mazoto indrindra. Hoy i Jesosy: “Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.” (Jn 5:17) Imbetsaka ny Tenin’Andriamanitra no mampitandrina ny kamo, ary mandrara ny hakamoana.
Toe-tsain’ny kamo. Miresaka imbetsaka momba ny kamo ny bokin’ny Ohabolana. Voalaza ao fa any an-tsainy mihitsy no efa asiany sakana tsy hanombohana asa. “Toy ny misy fefy tsilo ny lalan’ny kamo.” (Oh 15:19) Toy ny lalana rakotra tsilo sy sarotra aleha no fahitany ny asa tokony hataony. Mitady fialan-tsiny kidaladala izy avy eo noho izany hakamoany izany. Hoy izy: “Misy liona ao ivelany ao! Ho fatiny eny amin’ny tany malalaka aho!” (Oh 22:13) Toa te hilaza izy hoe mampidi-doza ilay asa. Tsy marina akory anefa izany. Matetika ny kamo no kanosa sy matahotahotra hanao zavatra. (Mt 25:26; 2Ti 1:7) Mihodina eo am-pandrianany toy ny ‘varavarana mihodina eo amin’ny savily’ izy, ka tsy mahavita miarina, na dia toroana hevitra sy ampirisihina hiasa aza. Tena kamo izy ka tsy vitany na dia ny mamahana ny tenany aza. “Mangarona ny ao anaty vilia ny kamo, nefa mamizana azy ny hampakatra ny tanany ho ao am-bavany.” (Oh 26:14, 15; 19:24) Mihevitra izy fa mety ny ataony. Mamita-tena anefa izy.
Mamorona an’izao fialan-tsiny rehetra tsy mitombina izao ny kamo. Mety hilaza izy hoe harary na ho vizana be raha miasa. Manantena ny hovelomim-potsiny koa angamba izy. Manao ampitso lava izy rehefa omena asa. (Oh 20:4) Mihevitra izy fa nahavita ny anjarany toy ny olon-kafa, rehefa mba nanao zavatra kely. Ny olona mazoto sy misaina tsara anefa mahita havaly an’izany fialan-tsiny rehetra izany, fa ny kamo kosa “mihevi-tena ho hendry” kokoa noho ny mazoto. Mieritreritra izy fa ireo tia miasa mafy sy mampirisika azy hazoto indray no adala.—Oh 26:13-16.
Tsy ‘mahay mianina’ amin’ny ‘hanina sy fitafiana ary fialofana’ ny kamo. (1Ti 6:6-8) Te hahazo zavatra izy, ary zavatra hafa ankoatra ny hanina sy ny fitafiana mihitsy aza matetika. “Maro ny fanirian’ny kamo, nefa tsy manana na inona na inona izy.” (Oh 13:4) Tsy miraharaha sy tsy manaja ny hafa izy, nefa tsy mampaninona azy raha ireny no manao ny asany, sy miantoka ny zavatra iriny mihitsy aza.—Oh 20:4.
Vokatry ny hakamoana. Mihevitra ny hanao zavatra ihany ny kamo, saingy mbola tsy izao aloha. Ho tonga tampoka anefa ny vokatry ny hakamoany, ka efa tara loatra raha amin’izay izy vao mieritreritra ny hanao zavatra. Izao mantsy no voalaza: Oh 6:9-11.
“Mbola hatory kely ihany, mbola ho rendremana kely ihany, ary mbola hamoritra tanana ihany ka hatory kely, dia ho avy tampoka sahala amin’ny mpandroba ny fahantranao, ary ho sahala amin’ny lehilahy mirongo fiadiana ny tsy fahampiana hanjo anao.”—Marina foana izao, na raisina ara-bakiteny na an’ohatra: “Nandalo teo amin’ny sahan’ny kamo sy teo amin’ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina aho. Ary hitako fa feno ahidratsy sy rakotra tsilo izany, sady nirodana ny tamboho vato nanodidina azy.” “Ny fahalainana be no mampiletsy ny tafo, ary ny hakamoan’ny tanana no mampitete ny trano.”—Oh 24:30, 31; Mpto 10:18.
Tsy maintsy ho diso fanantenana sy ho sosotra ary ho matiantoka ny olona raha ny kamo no karamainy na iangaviany hisolo tena azy. Voalaza mantsy hoe: “Toy ny vinaingitra amin’ny nify sy toy ny setroka amin’ny maso, dia toy izany ny kamo amin’izay maniraka azy.”—Oh 10:26.
Tsy maintsy hizaka ny vokatry ny hakamoany ny kamo, satria voalaza fa “ny fanirian’ny kamo no hahafaty azy.” Zavatra tsy mendrika azy na tsy tsara no iriny. Mety hidi-kizo izy mba hahazoana izany. Kamo izy nefa be sitrapo, ka hiala amin’Andriamanitra Loharanon’aina no iafarany.—Oh 21:25.
Mampidi-kizo ny tenany ny Kristianina raha kamo, satria tsy miezaka hanana ny vokatry ny fanahy izy, nefa izany no mahatonga ny olona ho velombelona sy havitribitrika. (As 18:25) Variana mikatsaka ny fanirian’ny nofo izy, ka tsy ela dia ho lasa “tsy laitra fehezina”, sy “tsy miasa mihitsy fa mitsofotsofoka amin’ny raharaha tsy mahakasika azy.”—2Te 3:11.
Teo anivon’ny fiangonana kristianina. Nahazo fanampiana ny Kristianina sahirana, indrindra fa ny mpitondratena, tamin’ny taonjato voalohany. Toa nisy tamin’ireo vehivavy mpitondratena tanora nilaza fa te hanararaotra ny fahafahana nananany mba hanompoana bebe kokoa. (Ampit. 1Ko 7:34.) Azo inoana fa nahazo fanampiana ny sasany taminy. Tsy nahay nanararaotra ny fahafahana sy ny fotoana nananany anefa ireny mpitondratena ireny fa lasa nidonana-poana, sy tsy nanao na inona na inona, ary nitety tranon’olona. Lasa mpifosafosa sy mpitsabaka tamin’ny fiainan’ny olona izy ireny, ka niresaka zavatra tsy tokony horesahiny. Izany no nahatonga an’i Paoly hanoro hevitra an’i Timoty mba tsy hampiditra ny mpitondratena toy ireny ao amin’ny lisitr’ireo omena fanampiana, fa hampirisika azy ireo hanambady kosa ka hampiasa ny heriny sy ny fahaizany mba hitaizana zanaka sy hikarakarana tokantrano.—1Ti 5:9-16.
Izao no fitsipiky ny Baiboly: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.” (2Te 3:10) Tsy maintsy namelona ny ankohonany ny loham-pianakaviana, ary tsy tokony hihinana ny “mofon’ny hakamoana” ny vehivavy manambady.—Oh 31:27; 1Ti 5:8.
Tsy tokony ho kamo mianatra na ho kamo manompo. Toroana hevitra ny Kristianina mba tsy ho kamo mianatra Baiboly na ho kamo mandalina momba ny fikasan’Andriamanitra na ho kamo manompo. Tsy nanao fandrosoana firy ny Kristianina hebreo sasany, ka nananatra azy ireo i Paoly hoe: “Tsy mazoto [kamo] mihaino ianareo. Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo raha ny fahelan’ny fotoana no jerena, dia mbola mila olona hampianatra anareo hatramin’ny voalohany ny fampianarana fototra momba ny fanambarana masin’Andriamanitra, ka nanjary tahaka an’ireo mila ronono, fa tsy ventin-kanina.” (He 5:11, 12) Hoy koa izy: “Aza malaina [kamo] amin’izay ataonareo. Aoka ianareo harehitry ny fanahy.”—Ro 12:11.