Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hakiho

Hakiho

Refy miainga eo amin’ny kiho hatreo amin’ny tendron’ny fanondroadala eo ho eo. (De 3:11) Nirefy 44,5 sm teo ho eo ny iray hakiho nampiasain’ny Israelita, ary izany koa no refy ato amin’ity boky ity. Milaza, ohatra, ny soratra any Siloama fa mirefy 1200 hakiho ny tionelin-drano nataon’i Hezekia Mpanjaka. Araka ny refy ankehitriny, dia 533 m ny halavan’ilay tionelina. Midika izany fa mety ho 44,4 sm ny iray hakiho. Azo refesina amin’ny hakiho koa ny trano sy fefy maro nofongarina tany Palestina, ka hita fa 44,5 sm eo ho eo tokoa ny iray hakiho.

Nampiasa hakiho lava koa ny Israelita. Nihoatra sakan’ny felatanana iray (7,4 sm) tamin’ny hakiho “mahazatra” izy io, ka nirefy 51,8 sm teo ho eo. Io no nandrefesana ny tempoly tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. (Ezk 40:5) Mety ho nisy koa ny hakiho fohy nirefy 38 sm teo ho eo. Norefesina avy teo amin’ny kiho ka hatreo amin’ny tonon-taolana voalohany amin’ny totohondry avonkina izy io.​—Mpts 3:16.