Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hakmony

Hakmony

(Hakmòny) [mety hidika hoe Hendry].

1. Razamben’i Zabdiela sy Jasobeama zanany lahy. Lehiben’ireo telo lahy mahery indrindra tao amin’ny tafik’i Davida i Jasobeama, ary antsoina hoe “taranak’i Hakmony.” (1Ta 11:11; 27:2) Soratana hoe “Takemonita” ny hoe “taranak’i Hakmony” ao amin’ny 2 Samoela 23:8. Raha ilay Jasobeama resahin’ny 1 Tantara 11:11 ihany ilay voalazan’ny 1 Tantara 12:6, dia taranak’i Kora Levita ny taranak’i Hakmony.​—Jereo JOSEBA-BASEBETA.

2. Rain’i Jehiela na razambeny. Niandraikitra an’ireo zanakalahin’i Davida Mpanjaka i Jehiela, angamba nampianatra manokana azy ireo. (1Ta 27:32) Mety ho ity Hakmony ity ihany ilay No. 1 etsy ambony.