Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hakoza

Hakoza

(Hakòza) [Ny Tsilo].

Mpisorona taranak’i Arona, ary lohan’ny fianakaviambe tao amin’ny fizarana faha-7 tamin’ireo antoko-mpisorona 24 tamin’ny andron’i Davida.​—1Ta 24:3-7, 10.

Tsy nekena ho isan’ny mpisorona “ny taranak’i Hakoza” nody avy tany Babylona (537 T.K.), satria tsy afaka nanamarina hoe iza ny razambeny. Anisan’ny norarana tsy hihinana tamin’ny ‘zavatra masina indrindra [àry] izy ireo, raha tsy rehefa nisy mpisorona nitondra Orima sy Tomima.’ (Ezr 2:61-63; Ne 7:63-65) Nanorina ampahany tamin’ny mandan’i Jerosalema ny iray tamin’ny taranany.​—Ne 3:21.