Halaka, Tendrombohitra
(Halàka) [Tendrombohitra Malamalama].
Tendrombohitra nametra ny sisiny atsimo azon’ny Israely notafihina tamin’ny Tany Nampanantenaina, tamin’izy ireo notarihin’i Josoa. (Js 11:16, 17; 12:7) Maro no mihevitra an’i Halaka ho i Jebel Halaka (Hara He-Halak), ilay tendrombohitr’i Palestina, izay farany andrefana eo amin’ny lalana mampitohy an’i Beri-sheba sy Araba. Faritra be kijana ny any atsinanan’ilay tandavan-tendrombohitra manomboka eo amin’i Jebel Halaka, fa tany efitra feno fasika kosa ny any andrefana. Lazain’ny Baiboly anefa hoe “miakatra mankany” Seira ny Tendrombohitra Halaka. Raha marina àry ilay voalaza etsy aloha, dia mifanatrika amin’i Seira ny ilan’ilay tendrombohitra avy any atsimoandrefana mankany avaratratsinanana.