Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Haleloia

Haleloia

(Halèloià).

Avy amin’ny teny hebreo hoe halelo-Yah. Ao amin’ny Salamo 104:35 no ahitana azy io voalohany. Nadika foana hoe “miderà an’i Jah” izy io ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Miverina in-24 izy io ao amin’ny Soratra Hebreo. Manomboka sy/na mamarana toko ao amin’ny Salamo izy io, afa-tsy ao amin’ny Salamo 135:3. (Jereo Sl 112:1; 115:18; 146:1, 10; 147:1, 20; 148:1, 14; 149:1, 9; 150:1, 6.) Miaraka amin’ny hoe “Amena” izy io ao amin’ny Salamo 106:48, izay mamarana ny Boky Fahefatra amin’ny Salamo. Miseho inefatra kosa izy io ao amin’ny Apokalypsy 19:1-6, izay milaza fa misy hafaliana be rehefa rava i Babylona Lehibe ary manomboka manjaka i Jehovah.​—Jereo JAH.