Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Halohesy

Halohesy

(Halohèsy) [Ilay Mahay Mibaiko Bibilava; Ilay Mpibitsibitsika].

1. Rain’ilay Saloma “andrianan’ny antsasaky ny faritanin’i Jerosalema.” Niaraka tamin’ireo zanany vavy io Saloma io nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema, tamin’ny 455 T.K.​—Ne 3:12.

2. Anisan’ny lohandohany teo amin’ny vahoaka. Nanisy tombo-kase an’ilay fieken-keloka natao tamin’ny andron’i Nehemia ny taranany, na izy mihitsy. Mety ho ity Halohesy ity ihany ilay No. 1.​—Ne 9:38; 10:1, 14, 24.