Haly
(Hàly) [Ravaka].
Tanàna teo amin’ny sisin-tanin’i Asera, voatonona eo anelanelan’i Helkata sy Batena. (Js 19:24, 25) Tsy fantatra ny tena toerana nisy an’i Haly. Misy anefa milaza azy io ho i Kirbet Ras ʽAli (Tel ʽAlil), tokotokony ho 17 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Haïfa. Teo amin’ny sisiny atsinanan’ny Lemak’i Ako no nisy azy io, araka izany.