Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hama

Hama

(Hàma).

1. Iray amin’ireo zanak’i Noa telo lahy, teraka taorian’ny taona 2470 T.K. (Ge 5:32; 7:6; 11:10) Izy angamba no faralahy. (Ge 9:24) Tononina faharoa anefa izy ao amin’ny Genesisy 5:32; 6:10 sy any amin’ny andininy hafa. Antsoina hoe “rahalahin’i Jafeta izay zokiny indrindra” mantsy i Sema, ao amin’ny Genesisy 10:21. Misy mihevitra fa i Kanana, zafikelin’i Noa, no lazaina hoe ‘faralahy’ ao amin’ny Genesisy 9:24.​—Jereo KANANA, KANANITA No. 1.

Niteraka efa-dahy i Hama. Ireto avy izany: Kosy, Mizraima, Pota ary Kanana. (Ge 10:6; 1Ta 1:8) Avy amin’ireo zanany ireo ny Etiopianina, ny Ejipsianina, ny foko arabo sy afrikanina sasany, ary ny Kananita. Mitanisa an’ireo foko sy firenena avy amin’i Hama ny Genesisy toko faha-10. Lazaina fa nampiasa fiteny semitika ny sasany tamin’ireo foko sy firenena hamitika ireo. Tsy midika anefa izany hoe tsy taranak’i Hama izy ireo na hoe tsy nampiasa fiteny hamitika tany am-boalohany tany. Olona maro mantsy no nanjary nampiasa ny fitenin’ny mpanjanaka azy, na ny fitenin’ny olona nifaneraserany, na ny fitenin’ilay firenena nifindrany.

Nanambady talohan’ny Safodrano i Hama. Tsy maty tamin’ny Safodrano izy sy ny vadiny, sy ny ray aman-dreniny, ary ny rahalahiny roa sy ny vadin’ireo. (Ge 6:18; 7:13; 8:15, 16, 18; 1Pe 3:19, 20) Taorian’ny Safodrano i Hama vao niteraka.

Nisy zava-dratsy nahavoarohirohy an’i Hama tatỳ aoriana, ka voaozona i Kanana zanany lahy. Mamon-divay mantsy i Noa, ary nanary lamba tao an-tranolainy. Nahita ny fitanjahan-drainy i Hama, ka notantarainy tamin’izy roa lahy rahalahiny izany. Tsy mba nanaja an-drainy izy, nefa i Noa no loham-pianakaviana ary mpanompo sy mpaminany nampiasain’Andriamanitra mba hiarovana ny taranak’olombelona tsy ho lany tamingana. Tena nanaja an’i Noa kosa i Sema sy Jafeta, ka nanao dia nihemotra ary nandrakotra azy tamin’ny lamba fitafy. Tsy nanala baraka an’i Noa izy ireo satria tsy nijery ny fitanjahan-drainy. Nilaza ozona i Noa rehefa nisava ny hamamoany, ary tsy i Hama no nozoniny fa i Kanana zanak’i Hama. Nitso-drano an’i Sema izy avy eo, sady nitso-drano an’i Jafeta. Tsy niresaka momba an’i Hama anefa izy. I Kanana ihany no nozoniny ka nambarany tao amin’ny faminaniana fa ho lasa andevon’i Sema sy Jafeta.​—Ge 9:20-27.

Angamba i Kanana mihitsy no nanao an’ilay zava-dratsy, ary tsy nanitsy azy i Hama rainy. Na koa efa tsinjon’i Noa mialoha fa hotahafin’ny taranak’i Kanana ny toetra ratsin’i Hama, izay angamba efa hita teo amin’i Kanana zanany, ka notarihin’ny fanahin’Andriamanitra i Noa hilaza an’ilay faminaniana. Tanteraka ny ampahany tamin’ilay ozona rehefa nandresy an’ireo Kananita ny Israelita taranak’i Sema. Lasa andevon’ny Israelita kosa ireo tsy naringana (anisan’ireny ny Gibeonita [Js 9]). Taonjato maro tatỳ aoriana, dia tanteraka koa ny ampahany hafa tamin’ilay ozona, rehefa lasa teo ambany vahohon’ny firenena matanjaka avy tamin’ny taranak’i Jafeta ny sasany tamin’ny taranak’i Kanana, zanak’i Hama. Taranak’i Jafeta mantsy ny Medianina sy Persianina, ary ny Grika sy ny Romanina.

Voaozona i Kanana ka misy mihevitra fa izany no nampisy ny mainty hoditra sy nahatonga azy ireo handevozina. Diso anefa izany, satria tsy avy amin’i Kanana ny mainty hoditra fa avy amin’i Kosy, ary angamba avy amin’i Pota. Zanakalahin’i Hama koa i Kosy sy Pota, nefa tsy voarohirohy tamin’ilay zava-dratsy ary tsy voakasik’ilay ozona.

2. Tanàna nonenan’ny Zozima, any atsinanan’i Jordana. (Ge 14:5) Resy io tanàna io, rehefa notafihin’ny mpanjakan’i Elama niaraka tamin’ny mpanjaka telo hafa, izay niray dina mba hanafoana ny fikomian’ireo tanàna tao amin’ny faritry ny Ranomasina Maty. (Ge 14:1-12) Toa tany atsimon’i Astarta-karnaima sy tany avaratr’i Save-kiriataima no nisy an’i Hama, raha jerena ny filaharana misy azy ao amin’ilay lisitra ao amin’ny Genesisy 14:5, 6. Mbola voatahiry ilay anarana hoe Hama, satria mbola misy tanàna atao hoe Hama ankehitriny, ao amin’ny Lohasaha Falehan-driaka er-Rejeileh (antsoina koa hoe Lohasaha Falehan-driaka Hama), any amin’ny 6 km any atsimo atsimoandrefan’i Irbid any ʽAjlon, ary any amin’ny 30 km any atsimoatsinanan’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasin’i Galilia. Ilay havoana atao hoe Tell Ham eo akaiky eo angamba ilay tanànan’i Hama fahiny.

3. Misy ifandraisany amin’i Ejipta ny hoe Hama, ao amin’ny Salamo. Antsoina hoe “tanin’i Hama” mantsy i Ejipta ao.​—Sl 78:51; 105:23, 27; 106:21, 22; jereo EJIPTA, EJIPSIANINA.