Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hamana

Hamana

(Hamàna).

Zanak’i Hamedota Agagita. Angamba taranaka mpanjaka amalekita i Hamana, matoa nantsoina hoe “Agagita.” (Es 3:1; jereo AGAGA No. 1; AGAGITA.) Tsy mahagaga àry raha tena halan’i Hamana ny Jiosy, satria efa nilaza i Jehovah fa haripaka ny Amalekita. (Ek 17:14-16) Nanafika an’ireo Israelita namakivaky ny tany efitra mantsy izy ireo, satria nankahala an’Andriamanitra sy ny vahoakany.​—Ek 17:8.

Mpanompon’i Ahasoerosy (Ksersesy I) mpanjakan’i Persa teo am-piandohan’ny taonjato fahadimy T.K. i Hamana. Nomem-boninahitra i Hamana, ary voatendry ho praiminisitry ny Fanjakana Persianina. Tezitra anefa izy fa tsy nety niankohoka teo anatrehany i Mordekay Jiosy. Nitetika ny handripaka an’i Mordekay sy ny Jiosy rehetra tao amin’ilay fanjakana àry izy. Nilaza tamin’ny mpanjaka izy fa nampidi-doza ho an’ny fanjakana ny Jiosy, satria mpandika lalàna sady “hafa noho ny an’ny vahoaka rehetra” ny lalàny. Hoy koa izy: “Aoka hisy didy hatao an-tsoratra handripahana azy ireo. Ary handoa talenta volafotsy iray alina [66 060 000 dolara eo ho eo] aho, homena an’ireo hanao izany, ka harotsaka ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.” Nampanantena ny hanome vola ho an’ny fanjakana mihitsy izy mba handresena lahatra ny mpanjaka! Nomen’ny mpanjaka azy àry ny peratra fanombohan-kaseny, sady hoy izy: “Homena anao ny volafotsy, mbamin’izany vahoaka izany, ka ataovy izay tianao hatao aminy.”​—Es 3:1-11.

Nirehareha be i Hamana satria nomen’ny mpanjaka fahefana hamoaka didy hoe haripaka ny Jiosy ary horobaina ny fananan’izy ireo. Nasain’i Estera vadin’ny mpanjaka hisakafo indroa koa izy. (Es 3:12, 13; 5:4-12) Tamin’i Hamana nanantena ny hasandratra iny indrindra anefa no nivadika ny rasa. Nietry sy afa-baraka be mantsy izy rehefa nasain’ny mpanjaka hanome voninahitra an’i Mordekay fahavalony teny imasom-bahoaka. Nomem-boninahitra i Mordekay satria nanala sarona ny teti-dratsin’ireo te hamono ny mpanjaka. (Es 6:1-12; 2:21-23) Nilaza àry ny vadin’i Hamana sy ny olon-kendriny hoe fambara izany fa ho lavo eo anatrehan’i Mordekay Jiosy i Hamana.​—Es 6:13.

Tamin’ilay fanasana faharoa nataon’i Estera zana-drahalahin’ny rain’i Mordekay, no naetry tanteraka i Hamana. (Es 2:7) Nisikina herim-po i Estera teo imason’i Hamana, ka nilaza fa hahita fahavoazana lehibe ny mpanjaka. Nisy nitetika ny hamono an’i Estera mantsy. Sahy nilaza izy avy eo hoe: “Io Hamana ratsy fanahy io” no mpamadika sy atidoha nikotrika an’ilay tetika. Tora-kovitra ilay praiminisitra, fa tezitra be kosa ny mpanjaka. (Es 7:1-6) Nasain’ny mpanjaka nahantona tamin’ilay tsato-kazo 22 m efa nomanin’i Hamana hanantonana an’i Mordekay àry i Hamana. (Es 7:7-10) Ny tranon’i Hamana kosa nomena an’i Estera (Es 8:7), ary natao praiminisitra i Mordekay sady nomena fahefana hanome alalana ny Jiosy hiaro tena. (Es 8:2, 10-15) Nahazo fandresena lehibe ny Jiosy, nandritra ny roa andro nanaovany valifaty tamin’ny fahavalony. Nisy 75 000 mahery no matin’izy ireo. Novonoina koa izy folo lahy zanak’i Hamana, ary nahantona ampahibemaso ny fatin’izy ireo ny ampitso, ho fanalam-baraka azy.​—Es 9:1-17; jereo ESTERA; ESTERA, BOKIN’I; MORDEKAY No. 2; PORIMA.

Tena nitovy toetra tamin’ny Amalekita i Hamana. Nivavaka tamin’ny andriamani-diso izy, ary toa nanasa mpanandro hanao antsapaka mba hahafantarana ny andro tsara handripahana ny Jiosy. (Es 3:7; jereo ANTSAPAKA.) Nanao ny “asan’ny nofo” izy, satria nanompo sampy, nilalao ody, nankahala olona (Jiosy), nirehareha, nanambony tena, tia tena, nitsiriritra, ary nialona ny hafa, indrindra fa ny mpanompon’Andriamanitra. (Ga 5:19-21) Nandainga sy namitaka koa izy (Es 3:8), nefa kanosa be rehefa nalana sarona ny teti-dratsiny sy rehefa nomelohina izy. (Es 7:6-8) Tena mpanompon’ny Devoly Fahavalon’Andriamanitra àry izy, raha jerena izay voalazan’ny Romanina 6:16.