Hamata
(Hamàta).
1. “Razamben’ny” taranak’i Rekaba sady razamben’ny Kenita sasany.—1Ta 2:55.
2. [Toeran’ny (Loharano) Mafana]. Tanàna voaro mafin’ny fokon’i Naftaly. (Js 19:32, 35) Maro no mihevitra azy io ho i Hammam Tabariyeh (Hame Teveriya), eo atsimo kelin’i Tiberiasy, eo amin’ny morony andrefan’ny Ranomasin’i Galilia. Azo inoana fa avy amin’ilay loharano misy solifara ao ny anaran’i Hamata. Mihevitra ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa anaran’i Hamata koa ny hoe Hamota-dora (Js 21:32) sy ny hoe Hamona. (1Ta 6:76) Raha marina izany, dia tanànan’ny Levita koa izy io.