Hamata
Renivohitry ny fanjakana kananita kely iray tany Syria i Hamata, teo am-piandohan’ny tantaran’ny Israely. Nanjary
nantsoina hoe Hamata koa ny faritra lonaka nanodidina azy io. Nantsoin’ny Grika sy ny Romanina hoe Epifania i Hamata, satria izany no niantsoan’i Antiokosa Faha-4 (Epifana) azy. Hama no anarany ankehitriny, ary fanafohezana ny anarany taloha izany.Teo amoron’ny Reniranon’i Oronte no nisy an’i Hamata, 81 km avy eo amin’ny Ranomasina Mediterane, tokony ho 190 km avaratr’i Damaskosy, ary 120 km eo ho eo atsimon’i Alep. Nisy lalana fivezivezen’ny entam-barotra namakivaky azy io.
Misy milaza fa ny Hetita no nanorina an’i Hamata. Azo inoana kokoa anefa fa ny Hamatita, izay havan’ny Hetita sady anisan’ireo fianakaviana 70 velona taorian’ny Safodrano, no nanorina azy io. Razamben’ny Hetita sy Hamatita i Heta sy Hamata, izay voatonona faha-2 sy faha-11 amin’ireo zanakalahin’i Kanana, zanak’i Hama.—Ge 10:6, 15-18; 1Ta 1:8, 13-16; jereo HETITA.
“Ny sisin’ny faritr’i Hamata.” Lazain’ny andininy voalohany miresaka momba an’i Hamata fa niakatra avy tany atsimo ka hatrany amin’ny “sisin’ny faritr’i Hamata”, ireo mpitsikilo israelita 12 lahy tamin’ny taonjato faha-16 T.K. Ny sisin-tany atsimon’ilay faritra nofehezin’i Hamata izy io. (No 13:21) Avy teo i Josoa no nanafika nianavaratra. (Js 13:2, 5; Mpts 3:1-3) Misy anefa manam-pahaizana milaza fa toerana izy io, ka tokony hadika hoe “hatrany Lebi-hamata (Lion’i Hamata)” (“hatrany Lebô-Hamata”, DIEM) ny hoe “hatrany amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata.”—Js 13:5; jereo Testamenta Taloha (latinina), Leyde, 1952, p. 114.
Tsy fantatra hoe taiza marina io sisin-tany (na toerana) io. Toa ny sisin-tany avaratr’i Israely (No 34:8; 1Mp 8:65; 2Mp 14:25; 2Ta 7:8) hatrany amin’ny sisin-tanin’i Damaskosy izy io. (Je 49:23; Ezk 47:15-17; 48:1; Za 9:1, 2) Misy indray mihevitra fa ny farany atsimon’ny Lohasahan’i Cœlésyrie (antsoina koa hoe Bekaʽ), eo anelanelan’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona sy Amana (Anti-Liban ankehitriny), izy io. Ny hafa kosa milaza fa teo anelanelan’i Balabeka sy Ribla izy io. Misy koa milaza fa tany avaratra kokoa izy io, eo amin’ilay vozontany malalaka kokoa anelanelan’i Homs sy ny ranomasina.—Ezk 47:20.
Fifandraisana tamin’ny Israely. Nirahin’i Toy mpanjakan’i Hamata hiarahaba an’i Davida Mpanjaka i Jorama (Hadorama) zanany lahy, satria resin’i Davida i Hadadezera fahavalo niombonan’izy ireo. Fanjakana nahaleo tena i Hamata tamin’izay. (2Sa 8:3, 9, 10; 1Ta 18:3, 9, 10) Toa nofehezin’ny Israely anefa ny fanjakan’i Hamata, tamin’ny andron’i Solomona. Nanorina tanàna fitehirizana entana sy vokatra tany amin’io faritra io mantsy i Solomona. (2Ta 8:3, 4) Nahaleo tena indray i Hamata rehefa maty i Solomona, afa-tsy tamin’ny fotoana nifehezan’i Jeroboama II azy vetivety tamin’ny taonjato fahasivy T.K. (2Mp 14:28) Voalaza fa “be mponina” i Hamata tamin’izany.—Am 6:2.
Resin’ny Asyrianina i Hamata sy ireo firenena nanodidina azy, anisan’izany ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely, tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Fanaon’i Asyria ny nampifanakalo toerana ny babo azony, ka ny mponin’i Hamata no namponeniny tao Samaria, ary ny tao Samaria kosa nafindrany nankany Hamata sy ny tanàna hafa. (2Mp 17:24; 19:12, 13; Is 10:9-11; 37:12, 13) Nanangana ny sarin’i Asima andriamaniny teny amin’ny toerana avo tao Samaria ny Hamatita, na dia tsy nahavonjy azy ireo teo an-tanan’ny Asyrianina aza ilay andriamanitra tsy misy dikany.—2Mp 17:29, 30; 18:33, 34; Is 36:18, 19.
Misy soratra miendri-pantsika (Tranombakoka Britanika 21 946) milaza fa tratran’ny tafik’i Nebokadnezara ny Ejipsianina nitsoaka tany amin’ny faritr’i Hamata ka naripany, taorian’ilay ady tany Karkemisy tamin’ny 625 T.K. (Je 46:2; Tantaran’i Asyria sy Babylona, nataon’i A. Grayson, 1975, p. 99) Tao amin’io faritra io koa i Farao Neko no namabo an’i Joahaza Mpanjaka, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. (2Mp 23:31-33) Tao Ribla tany Hamata koa no nitondrana an’i Zedekia sy ny babo hafa, rehefa rava i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Novonoina tao teo imason’i Zedekia ny zanany lahy sy ny olona ambony hafa. (2Mp 25:18-21; Je 39:5, 6; 52:9, 10, 24-27) Nampanantena anefa Andriamanitra fa haveriny any amin’ny taniny ireo sisa niangana tamin’ny olony voababo, anisan’izany ireo tany Hamata.—Is 11:11, 12.