Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hamona

Hamona

(Hamôna).

[1, 2: midika hoe “Toeran’ny (Loharano) Mafana”]

1. Tanàna teo amin’ny sisin-tanin’ny faritanin’i Asera. (Js 19:24-28) Maro no mihevitra azy io ho Omm el ʽAvamid eo amoron’i Mediterane, 16 km eo ho eo atsimo atsimoandrefan’i Tyro.

2. Tanàna iray tao amin’ny faritanin’i Naftaly nomena ny Levita. (1Ta 6:71, 76) Io ihany angamba no Hamata.​—Js 19:35; jereo HAMATA No. 2.

[3: midika hoe “Vahoaka (Maro)”]

3. Tanàna an’ohatra akaikin’ilay lohasaha handevenana an’i Goga sy ny vahoakany. Hanafika an’ireo mpanompon’Andriamanitra ry Goga, nefa ho resy ka haripaka daholo. Hantsoina hoe Hamona àry ilay tanàna, ho fahatsiarovana ny fandresen’i Jehovah ny fahavalony. (Ezk 39:16) Misy fitsipika sy lamina arahin’ny olona iray tanàna. Toa ho voalamina tsara koa àry ny fandevenana ny taolan’ireo naripaka ireo (Ezk 39:11-15), matoa ampifandraisina amin’ilay tanànan’i Hamona.​—Jereo GOGA No. 2.