Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hana

Hana

(Hàna) [Fiantrana, Hatsaram-panahy].

Renin’i Samoela mpaminany. Nonina tany Ramataima-zofima, tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima izy sy Elkana vadiny (izay Levita) ary Penina (mbola vadin’i Elkana koa). Tsy niteraka i Hana fa momba efa an-taonany maro. I Penina kosa maro anaka. Na izany aza dia mbola i Hana no tian’i Elkana kokoa. Nanesoeso an’i Hana i Penina, noho izy momba, indrindra isaky ny nentin’i Elkana tany amin’ny tranolay masina tany Silo ny fianakaviany isan-taona.​—1Sa 1:1-8.

Nivoady tamin’i Jehovah i Hana, indray mandeha, tamin’izy ireo tany Silo, fa raha miteraka lahikely izy, dia homeny an’i Jehovah hanompo azy ilay zaza. Nivavaka anakampo i Hana, ka ny molony fotsiny no nihetsiketsika. Nahita izany i Ely Mpisoronabe, ka nihevitra fa mamon-divay i Hana. Rehefa hitany anefa hoe nafana fo sy tso-po i Hana, dia nitso-drano azy izy mba homen’i Jehovah azy izay niriny. Tsy ela tokoa dia bevohoka izy. Rehefa niteraka an’i Samoela izy, dia tsy nankany Silo indray raha tsy rehefa nosarahi-nono ilay zaza. Nitana ny teniny izy, ka nentiny teo anatrehan’i Jehovah i Samoela niaraka tamin’ny ombilahy telo taona sy lafarinina iray efaha ary divay eran’ny siny lehibe. (1Sa 1:9-28) Isaky ny nankany Silo izy ireo isan-taona, dia nitondra akanjo kely tsy misy tanany ho an-janany foana i Hana. Nitso-drano azy indray i Ely, ka nataon’i Jehovah nitoe-jaza izy ary niteraka telo lahy sy roa vavy.​—1Sa 2:18-21.

Nanana toetra tsara mahatehotia maromaro i Hana. Tia nivavaka sy nanetry tena izy, ary niezaka nampifaly ny vadiny. Niaraka taminy nanao fanatitra tany amin’ny tranolay masina, ohatra, izy isan-taona. Nanao sorona lehibe koa izy, satria nisaraka tamin’ny zanany lahikely mba hitanana ny teny nataony sy ho fankasitrahany ny hatsaram-panahin’i Jehovah. Tia an-janany foana anefa izy matoa nanjaitra akanjo kely vaovao ho azy isan-taona. Nanao hira fisaorana izy rehefa nitondra an’i Samoela hanompo tany amin’ny tempoly izy sy Elkana. Io hira io dia mitovitovy amin’ilay tenin’i Maria taoriana kelin’ny nahalalany fa izy no ho renin’ny Mesia.​—Lk 1:46-55.