Hanana
(Hanàna) [Miantra; Tsara Fanahy].
1. Benjamita “zanakalahin’i Sasaka.”—1Ta 8:1, 23-25.
2. Zanakalahin’i Maka, ary lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida.—1Ta 11:26, 43.
3. Taranak’i Saoly Mpanjaka, ary anisan’izy enina mirahalahy zanak’i Azela.—1Ta 8:33-38; 9:44.
4. Zanakalahin’i Jigdalia, ary “lehilahin’Andriamanitra.” Tao amin’ny efitra fisakafoan’ny taranak’i Hanana i Jeremia mpaminany no nitsapa ny Rekabita, ka nahita fa nankatò ny didin’i Jonadaba razambeny tsy hisotro divay izy ireo.—Je 35:3-6.
5. Lohan’ny fianakaviambe iray anisan’ny Netinima (mpanompo tao amin’ny tempoly). Niara-niverina tamin’i Zerobabela avy tany Babylona (537 T.K.) ny taranany.—Ezr 2:1, 2, 43, 46; Ne 7:46, 49.
6. Anisan’ny Levita nanampy an’i Ezra hanazava ny Lalàna tamin’ny fiangonan’Israely tafavory teo an-tany malalaka, tandrifin’ny Vavahadin-drano tao Jerosalema. (Ne 8:1, 7) Mety ho izy ihany ilay No. 7 na No. 10.
7. Levita iray, na ny taranany, nanisy tombo-kase ny “fianianana” natao tamin’ny andron’i Nehemia Governora. (Ne 9:38; 10:1, 9, 10) Raha i Hanana ilay nanisy tombo-kase, dia mety ho izy ihany ilay No. 6 na No. 10.
8, 9. “Lohandohany [roa] teo amin’ny vahoaka.” Nanisy tombo-kase an’ilay fieken-keloka tamin’ny andron’i Nehemia Governora izy ireo, na ny taranany.—Ne 9:38; 10:1, 14, 22, 26.
10. Zanakalahin’i Zakora. Levita mendri-pitokisana izy, ka nasain’i Nehemia nizara ny anjaran’ny Levita. Teo ambany fiadidian’i Selemia, Zadoka, ary Pedaia izy. (Ne 13:13) Mety ho izy ihany ilay No. 6 na No. 7.