Hanania
(Hananìa) [midika hoe “Niantra i Jehovah; Tsara Fanahy i Jehovah”].
1. Zanakalahin’i Sasaka ary lohan’ny fianakaviambe iray teo amin’ny taranak’i Benjamina.—1Ta 8:1, 24, 25, 28.
2. Anisan’ireo 14 lahy zanak’i Hemana. I Hanania no lehiben’ny antoko-mpanompo faha-16 tamin’ireo 24 nisy an’ireo Levita mpitendry zavamaneno, izay notendren’i Davida hanompo tao amin’ny toerana masina.—1Ta 25:1, 4, 5, 8, 9, 23.
3. Manamboninahitra ambony, na “andriana”, tao amin’ny tafik’i Ozia Mpanjaka.—2Ta 26:11.
4. Rain’ilay Zedekia izay andriana tamin’ny andron’i Joiakima mpanjakan’ny Joda.—Je 36:12.
5. Zanak’i Azora, ary mpaminany sandoka avy any Gibeona, tanàna benjamita. Notoherin’i Hanania ny tenin’i Jeremia mpaminanin’i Jehovah hoe tokony hanaiky ho eo ambany ziogan’ny mpanjakan’i Babylona ny olona mba tsy ho faty. (Je 27:12-14) Nilaza mantsy i Hanania fa ho resy ao anatin’ny roa taona i Babylona ka hafahana ny Jiosy babo ary haverina daholo ny fitaovana tao amin’ny tempoly. Nesoriny ny zioga hazo teny am-bozon’i Jeremia ka notapahiny, mba hanamafisana izay nolazainy. Nasain’i Jehovah nilaza tamin’i Hanania àry i Jeremia hoe hosoloana zioga vy ilay zioga hazo ary ho faty tamin’iny taona iny ihany i Hanania. Maty tamin’izay taona izay tokoa ilay mpaminany sandoka.—Je 28.
6. Mety ho raiben’i Jiria izay manamboninahitra niambina ny vavahadin’i Benjamina. Nisambotra an’i Jeremia mpaminany i Jiria, ary niampanga azy hoe nitolo-batana tamin’ny Kaldeanina.—Je 37:1-15.
7. Anarana hebreo niantsoana an’i Sadraka, izay anisan’ireo Jiosy telo lahy naman’i Daniela. Nentina Da 1:6, 7; jereo SADRAKA.
tany Babylona tamin’ny 617 T.K. i Hanania.—8. Zanakalahin’i Zerobabela ary rain’i Pelatia sy Jesaia.—1Ta 3:19, 21.
9. Taranak’i Bebay izay anisan’ireo nankatò an’i Ezra ka nandroaka ny vadiny hafa firenena.—Ezr 10:10, 11, 28, 44.
10. Mpisorona levita sady lohan’ny fianakaviamben-dry Jeremia, tamin’ny andron’i Nehemia Governora.—Ne 12:12, 26.
11. Anisan’ireo mpanamboatra menaka fanosorana, ary nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema, tamin’ny andron’i Nehemia.—Ne 3:8.
12. Zanak’i Selemia ary anisan’ny nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema, tamin’ny 455 T.K.—Ne 3:30.
13. Mpisorona mpitsoka trompetra izay nandray anjara tamin’ny lanonana notarihin’i Nehemia, rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema.—Ne 12:31, 40, 41.
14. Anisan’ireo lohandohany teo amin’ny vahoaka ary nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” natao tamin’ny andron’i Nehemia Governora. Mety hoe tsy izy koa anefa ilay nanao izany, fa olona iray anisan’ny taranany.—Ne 9:38; 10:1, 14, 23.
15. Ilay andriana tao amin’ny Lapa. Lehilahy mendri-pitokisana sady natahotra an’Andriamanitra nihoatra noho ny olona maro i Hanania. Notendren’i Nehemia hifehy an’i Jerosalema izy sy Hanany.—Ne 7:2.