Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanany

Hanany

(Hanàny) [mety ho fanafohezana ny hoe Hanania].

1. Iray tamin’izy 14 lahy zanak’i Hemana. I Hanany no voafidy tamin’ny antsapaka ho lehiben’ny andiany faha-18 tamin’ireo antokona mpitendry zavamaneno tao amin’ny toerana masina, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.​—1Ta 25:4-6, 9, 25.

2. Ilay mpahita fahitana nibedy an’i Asa mpanjakan’ny Joda, noho i Asa nanao fifanekena tamin’ny mpanjakan’i Syria fa tsy niantehitra tamin’i Jehovah. Tezitra ilay mpanjaka ka nampidiriny am-ponja i Hanany sady nasiany boloky hazo ny tongony. (2Ta 16:1-3, 7-10) Toa i Hanany no rain’i Jeho, ilay mpaminany nibedy an’i Basa mpanjakan’ny Israely sy Josafata mpanjakan’ny Joda.​—1Mp 16:1-4, 7; 2Ta 19:2, 3; 20:34.

3. Mpisorona “taranak’i Imera”, ary anisan’ireo nandroaka ny vadiny hafa firenena rehefa nampirisihin’i Ezra hanao izany.​—Ezr 2:36, 37; 10:10, 11, 20, 44.

4. Rahalahin’i Nehemia. Rehefa tonga tany Sosana i Hanany sy ireo lehilahy hafa avy tany Joda, dia nilaza tamin’i Nehemia hoe rava ny mandan’i Jerosalema. (Ne 1:2, 3) Notendren’i Nehemia i Hanany rahalahiny sy Hanania mba hifehy an’i Jerosalema, rehefa voaorina indray ilay manda.​—Ne 7:1, 2.

5. Mpisorona levita sady mpitendry zavamaneno, ary nandray anjara tamin’ilay filaharam-be nalamin’i Nehemia rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema.​—Ne 12:31-36.