Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanesa

Hanesa

(Hanèsa).

Toerana tononin’ny Isaia 30:4, rehefa nanameloka an’ireo nitady fanampiana tany Ejipta i Jehovah. (Is 30:1-5) Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy io.

Maromaro ny fomba andikan’ny olona ny Isaia 30:4. Misy mpivaofy teny milaza fa ireo “iraka” voalaza ao dia Jiosy, izay nasaina nitady fanampiana tamin’ny tafika ejipsianina, ka tonga tany Hanesa. Ny hafa kosa milaza an’ireo ho olona nirahin’i Farao (resahin’ny Is 30:3) mba handray an’ireo solontenan’ny Jiosy tonga tao Hanesa. Na ahoana na ahoana, dia nasehon’i Jehovah fa tsy hahasoa velively ny fanampiana avy any Ejipta.​—Is 30:5.