Hanin-kisoa
[Gr.: keratiôn].
Satrin’ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy hihinana ny hanin-kisoa, satria noana be izy. (Lk 15:16) Voan’ny hazo karobie (Ceratonia siliqua) ilay hanin-kisoa eo. Maniry eran’i Palestina sy ny faritr’i Mediterane io hazo tsara tarehy maitsoririnina mahatratra 9 m io, ary madinika mamiratra toy ny an’ny hazo volondavenona ny raviny. Volontsôkôlà somary volomparasy mamiratra sy mafy ny hoditry ny voany, ary miendrika tandroka mifaingoka, araka ny anarany hoe keratiôn (gr., “tandroka kely”). Mirefy 15 ka hatramin’ny 25 sm ny lavan’ilay hodiny, ary 2,5 sm eo ho eo ny sakany. Toy ny pitipoà ny voany maromaro ao anatiny, eny anelanelan’ny nofony mamy madity azo hanina. Mbola ataon’ny maro sakafon’ny soavaly, omby, ary kisoa ireny ankehitriny. Misy manao grefy an’ilay hazo mba hahazoana voany tsara kokoa hohanin’ny olona.