Hanona
(Hanôna) [Niantra Izy; Tsara Fanahy Izy].
1. Zanakalahin’i Nahasy mpanjakan’i Amona. Izy no nandimby an-drainy. Naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’i Davida i Nahasy. Rehefa maty àry izy, dia nandefa iraka hampionona an’i Hanona zanany i Davida. Nilaza anefa ireo andriana amonita fa tetik’i Davida hijerena taratra an’ilay tanàna fotsiny izany. Nino azy ireo i Hanona ka nalany baraka ireo mpanompon’i Davida. Noharatany ny antsasaky ny volombavan’izy ireo, notapahiny roa hatreo amin’ny fitombenany ny akanjony, ary nalefany izy ireo. Hitan’ny taranak’i Amona fa nanjary halan’i Davida izy ireo. Niomana hiady àry i Hanona ka nokaramainy hiady tamin’ny Israely ny Syrianina. Resin’ny Israelita tanteraka anefa ny Amonita sy ny Syrianina. Nampanaovin’i Davida asa an-terivozona ny Amonita sisa tsy maty tao Raba.—2Sa 10:1–11:1; 12:26-31; 1Ta 19:1–20:3.
2. Ilay niaraka tamin’ny mponin’i Zanoa mba hanamboatra ny Vavahadin-dohasaha sy ny ampahany tamin’ny mandan’i Jerosalema.—Ne 3:13.
3. “Fahenina amin’ny zanak’i Zalafa.” Nanamboatra ampahany tamin’ny mandan’i Jerosalema izy.—Ne 3:30.