Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hara-magedona

Hara-magedona

HARA-MAGEDONA

(Hara-magedôna) [avy amin’ny teny heb., ary midika hoe “Tendrombohitr’i Megido”].

“Adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” Hangonina ho amin’ny Hara-magedona ireo “mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina”, mba hanohitra an’i Jehovah sy ny Fanjakany tantanan’i Jesosy Kristy. Misy Baiboly manao hoe “Armagedòna.” (Ap 16:14, 16, Kat.) Midika fotsiny hoe “Tendrombohitr’i Megido” ilay anarana hebreo nadika hoe Hara-magedona.

Toa tsy nisy toerana ara-bakiteny nantsoina hoe “Tendrombohitr’i Megido” tao amin’ny Tany Nampanantenaina na tany ivelany, tamin’ny andron’ny apostoly Jaona (nanoratra an’ilay fahitana) na talohany. Izay nitranga tao amin’ny tanànan’i Megido fahiny àry no nahatonga an’ilay anarana hoe Hara-magedona.

Kilaometatra vitsivitsy teo atsimoatsinanan’ny Tendrombohitra Karmela no nisy an’i Megido. Avo toerana izy io ka nahatazanana ny Lemak’i Esdraelona (Jezirela). Fandalovan’ny tafika koa izy io sady fivezivezen’ny entam-barotra avy tany avaratra nianatsimo sy avy tany atsinanana niankandrefana. I Josoa no voalohany nandresy an’io tanàna kananita io. (Js 12:7, 8, 21) Naripak’i Baraka sy ny tafika israelita teo akaikin’izy io ny tafik’i Jabina notarihin’i Sisera, tatỳ aoriana. Nanampy azy ireo i Jehovah ka nampiasa herin’ny natiora. “Nidina avy tany an-tendrombohitra Tabara i Baraka sy ireo lehilahy iray alina nanaraka azy. Ary nataon’i Jehovah nifanaritaka i Sisera sy ny kalesin’adiny rehetra ary ny tobiny rehetra, ka matin’ny lelan-tsabatra teo anoloan’i Baraka izy ireo. Dia nidina niala tamin’ny kalesiny i Sisera, ka nihazakazaka nandositra. Koa nenjehin’i Baraka hatrany Harosetan’ireo firenena ny kalesin’ady sy ny miaramila, ka lavon’ny lelan-tsabatra ny miaramila rehetra, ary tsy nisy niangana na iray aza.”—Mpts 4:14-16.

Velon-kira i Baraka sy Debora mpaminanivavy taorian’ilay fandresena. Hoy izy ireo: “Nisy mpanjaka tonga mba hiady, ary tamin’izay no niady ireo mpanjakan’i Kanana tao Tanaka, teo amoron’ny ranon’i Megido. Tsy nahazo volafotsy anefa izy ireo. Avy tany an-danitra ny kintana no niady tamin’i Sisera, avy tamin’ny lalana arahiny ireny no niady taminy. Nopaohin’ny riakan’i Kisona ireny, dia ny riakan’ny andro fahiny, eny, ny riakan’i Kisona. Nanitsakitsaka an’ireo olo-mahery aho. Tamin’izay no nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly, satria niriotra mafy dia mafy ny soavalilahy.”—Mpts 5:19-22.

Maty tao Megido i Ahazia mpanjakan’ny Joda, rehefa avy nasian’ny miaramilan’i Jeho. (2Mp 9:27) Tao koa i Josia mpanjakan’ny Joda no novonoin’i Farao Neko. (2Mp 23:29, 30) Tsara toerana i Megido ka firenena maro no niady teny akaikiny, araka ny tantara. ‘Samy nanangana tranolay teo amin’ny lemak’i Esdraelona ny Jiosy, Jentilisa, Sarrasins, mpanao ady masina, Ejipsianina, Persianina, Druzes, Tiorka, ary Arabo.’—Famakafakana Teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao, nataon’i M. Vincent, 1957, Boky II, p. 542.

Hangonina “ho amin’ilay toerana [endriny hafa amin’ny hoe tôpôs (gr.)] antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona” ireo mpanjaka rehetra eto an-tany. (Ap 16:16) Ilazana toerana ara-bakiteny (Mt 14:13, 15, 35), na ‘fahafahana’ manao zavatra (As 25:16), na toerana an’ohatra na toe-javatra ny hoe tôpôs (Ap 12:6, 14). Hangonina ho amin’ny “toerana” an’ohatra toy izany ireo tafika rehetra eto an-tany, rehefa jerena ny teny manodidina.

Tsy zavatra efa lasa fa mbola ho avy, ilay “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” na Hara-magedona, araka ny fahitana azon’i Jaona. Hangonina ireo mpanjaka rehefa avy nararaka ny ao anatin’ny vilia fahenina amin’ireo vilia fito, izay misy an’ireo loza “farany” hanatanterahana hatramin’ny farany ny fahatezeran’Andriamanitra. (Ap 15:1; 16:1, 12) Misy ifandraisany amin’ny fanatrehan’i Kristy koa ny Hara-magedona, matoa nampitandrina izy ao amin’ny Apokalypsy 16:15 (anelanelan’ny and. 14 sy 16) hoe ho avy toy ny mpangalatra izy.

Asongadin’ny teny manodidina fa ady haneran-tany ny Hara-magedona. Hanohitra an’i Jehovah “ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina” izay hoentanin’ny “fanambarana avy amin’ny demonia.”—Ap 16:14.

Hoy koa i Jaona: “Ary hitako fa nivondrona ilay bibidia sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny mba hiady tamin’ilay nitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny.” (Ap 19:19) Antsoina hoe “Mendri-pitokisana sy Marina” sy hoe “Ny Tenin’Andriamanitra”, ilay mitarika ny tafiky ny lanitra izay mitaingina soavaly fotsy. (Ap 19:11-13) I Jesosy Kristy, na ny Teny, àry io mpitari-tafika io. (Jn 1:1; Ap 3:14) Manamafy izany koa ny voalazan’ny Apokalypsy 17:13, 14 hoe “hiady amin’ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy (Jn 1:29)]” ireo tafika eto an-tany. “Haharesy an’ireo anefa ny Zanak’ondry satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka izy. Haharesy koa ireo voantso sy voafidy ary tsy mivadika izay miaraka aminy.”

Tsy handray anjara amin’ilay ady ny Kristianina mpanompon’i Jehovah eto an-tany, satria asehon’ilay fahitana fa ny tafiky ny lanitra ihany no hiaraka amin’i Jesosy Kristy na Ny Tenin’Andriamanitra. (Ap 19) Nilaza koa i Jesosy Kristy fa tsy tokony hampiasa fitaovam-piadiana ny mpianany. (Mt 26:52; ampit. Ek 14:13, 14; 2Ta 20:15, 17, 22, 23; Sl 2:4-9.) Hohanin’ireo vorona manidina eny afovoan’ny lanitra ny nofon’ireo voavono.—Ap 19:11-21.

Tsy ny olona fotsiny àry no handray anjara amin’ny Hara-magedona, fa ny tafik’Andriamanitra koa. Tena hitranga io ady io amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah Andriamanitra, izay ‘manao araka izay sitrapony, eo amin’ny tafiky ny lanitra sy ny mponin’ny tany.’—Da 4:35; jereo koa Mt 24:36.