Harafesina
Zavatra manify somary mena, mora mitsifaka, izay miseho eo amin’ny vy, indrindra rehefa tratran’ny rivotra mando ilay vy ka manimba azy izany. Misy lavadavaka faran’izay madinika ny harafesina. Antsoina hoe harafesina koa anefa izay zavatra miforona eo amin’ny metaly hafa ka mikiky azy. Ny vy no lazaina hoe harafesina. Ny varahina sy ny volafotsy kosa lazaina hoe mangery. Na ny volamena aza, mety ho simban’ny asidra na ny zavatra hafa. Avy amin’ny teny hebreo midika hoe ‘misy marary’ (2Ta 16:12) ilay teny hebreo hoe helʼah, izay nadika hoe “harafesina” (TV, Prot.) na “taim-barahina” (Kat.). Midika hoe harafesina àry io teny io, raha vy no resahina. (Ezk 24:6, 11, 12) Ilay teny grika hoe brôsis indray midika hoe “fihinanana” (Mt 6:19, 20), ary ilay hoe iôs kosa midika hoe “poizina” (Ro 3:13; Jk 3:8) sy “harafesina.”—Jk 5:3.
Nilaza i Ezekiela fa i Jerosalema dia toy ny vilanibe varahina, izay “misy harafesina ao anatiny.” Nahazo vahana tao Jerosalema ny fahalotoana sy ny fitondran-tena baranahiny ary ny fandatsahan-dra, ary izany no nolazain’i Ezekiela hoe harafesina. Nasain’Andriamanitra nandrahoana hena tao anatin’ilay vilany, ary avy eo izy nandidy hoe: “Foany ny ao anatin’ilay vilany, ka ataingeno eo ambony vainafo ilay izy mba hahamay. Ataovy mahamay be ny varahina eo aminy mba hampitsonika ny fahalotoany. Aoka ho levona ny harafesina eo aminy [sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny; Prot.].”—Ezk 24:3-12.
Hoy i Jesosy Kristy tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra: “Aza manangona harena ho anareo intsony etỳ an-tany, izay misy bibikely sy Mt 6:19, 20) Tsy mahasoa ny harena rehefa tehirizina fotsiny. Mety ho harafesina izany, ary na ny tompony aza tsy handray soa. Hoy i Jakoba, rehefa nampitandrina an’ireo mpanankarena izay nitoky tamin’ny harena: “Efa lo ny harenanareo ... Harafesenina tanteraka ny volamenanareo sy ny volafotsinareo, ary hiampanga anareo sy hihinana ny nofonareo ny harafesina [iôs] aminy. Zavatra toy ny afo no angoninareo amin’ny andro farany. Tsy mitsahatra miantsoantso ny karaman’ny mpiasa nijinja ny sahanareo, dia ny karamany izay tsy omenareo. Efa mby any an-tsofin’i Jehovah Tompon’ny tafika ny antso vonjy ataon’ny mpijinja.” (Jk 5:2-4) Tokony ho nampiasa tsara ny harenany izy ireo ka handoa ny karaman’ny mpiasany, nefa tsy izany no nataony. Efa ela no nanaovan’izy ireo izany tsy rariny izany, ka lasa be dia be ny harafesina sy fahasimbana niangona teo amin’ny harenany. Navesatra tokoa àry ny fiampangana azy ireo teo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra. Natoron’i Jesosy kosa ny fomba tsara hampiasana ny harena. Hoy izy: “Ataovy izay hahazoana namana amin’ny alalan’ny harena tsy marina, mba horaisin’izany namana izany any amin’ny fonenana mandrakizay ianareo rehefa lany izany harena izany.”—Lk 16:9.
harafesina [brôsis] manimba, ary misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. Manangòna kosa harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy bibikely na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.” (