Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Haran-dranomasina

Haran-dranomasina

Vatosokay amboarin’ny karazana bibikely velona any amin’ny ranomasina mafana. Be dia be ireny bibikely ireny no miara-miaina. Alain’izy ireo ny zavatra simika misy kalsioma ao amin’ny ranomasina, ka anamboarany zavatra miendrika rantsankazo. Tsara tarehy ilay izy ary mafy toy ny vato. Lasa mandrakotra faritra lehibe ny karazana haran-dranomasina sasany, rehefa mandeha ny fotoana, ary misy aza lasa nosy mihitsy. Miloko fotsy sy mainty ary mena isan-karazany izy ireny, fa ny mena no tena lafo sy be mpitia indrindra fahiny. (Ampit. Ft 4:7.) Nisy fotoana i Tyro nalaza ho mpanao raharaham-barotra teo amin’ny resaka haran-dranomasina, izay nalaina tao amin’ny Ranomasina Mediterane sy ny Ranomasina Mena ary ny Oseana Indianina. (Ezk 27:16) Nanamboaran’ny mpanao asa tanana ravaka tsara tarehy isan-karazany sy lafo be izy ireny.

Tena lafo vidy ny haran-dranomasina fahiny, ka anaovan’ny Baiboly fampitahana mahaliana. Voalaza, ohatra, fa sarobidy noho ny haran-dranomasina ny fahalalana sy ny fahendrena. (Jb 28:18; Oh 3:15; 8:11; 20:15) Toy izany koa ny vady tsara. “Sarobidy lavitra noho ny haran-dranomasina ny vehivavy toy izany.”​—Oh 31:10.