Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Harana

Harana

(Haràna).

1. Zanakalahin’i Tera sady rahalahin’i Abrama (Abrahama) sy Nahora. Niteraka an’i Lota i Harana, ary i Iska sy Milka no zanany vavy (nanambady an’i Nahora dadatoany i Milka). Maty talohan’ny nandaozan’i Tera sy Abrama an’i Oran’ny Kaldeanina i Harana.​—Ge 11:26-31.

2. Taranak’i Gersona avy tamin’i Simey, ary avy amin’ny fokon’i Levy.​—1Ta 23:6-9.

3. Zanakalahin’i Kaleba tamin’i Efaha vadikeliny. Ray “niteraka” an’i Gazeza i Harana, sady avy amin’ny fokon’i Joda.​—1Ta 2:3, 42, 46.

4. Tanàna iray tany amin’ny faritra avaratr’i Mezopotamia. Nivahiny kelikely tao i Abrama (Abrahama), ary tao i Tera rainy no maty. (Ge 11:31, 32; 12:4, 5; As 7:2-4) Voatonona ho anisan’ireo “firenena” resin’ireo mpanjakan’i Asyria i Harana, ka toa midika izany fa tsy ilay tanàna fotsiny no nantsoina hoe Harana fa ny faritra manodidina azy io koa.​—2Mp 19:11, 12.

I Harana ankehitriny. Mbola ilay anarany fahiny ihany izany anarany izany. Mety ho tao na teo akaikiny no nahitan’ny mpanompon’i Abrahama vady ho an’i Isaka

Taoriana kelin’ny nandaozan’i Abrahama an’i Harana, dia nirahiny ny zokiny indrindra tamin’ny mpanompony mba hitady vady ho an’i Isaka zanany, tany amin’ireo havany (angamba tany Harana na tany amin’ny “tanànan’i Nahora”, tanàna tsy lavitra teo). (Ge 24) Nankany Harana i Jakoba zafikelin’i Abrahama, tatỳ aoriana, mba handositra an’i Esao rahalahiny izay tezitra taminy, sy mba hitady vady avy tamin’ny zanakavavin’i Labana dadatoany. (Ge 27:42-46; 28:1, 2, 10) Teo amin’ny lavadrano iray, izay azo inoana fa teo akaikin’i Harana, no nihaonan’i Jakoba tamin’i Rahely.​—Ge 29:4-12.

Tamin’ny taonjato fahavalo T.K., dia nandefa hafatra tany amin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda i Sankeriba mpanjakan’i Asyria mba hampitahorana azy. Nirehareha erỳ izy tao hoe nandresy an’i Harana sy ny tanàna hafa ny razambeny.​—2Mp 19:8-13; Is 37:8-13.

Toa Harano (midika hoe “Lalana”) no iantsoan’ny soratra asyrianina an’i Harana, angamba satria izy io teo amin’ny lalan’ny mpanao dia lavitra, izany hoe lalana nampitohy an’i Ninive, Asyra, Babylona, Tyro, ary Ejipta. (Ampit. Ezk 27:23.) Mbola Harana ihany no anarany ankehitriny, ary eo amin’ny toerana itambaran’ny sakelidrano roa ho renirano iray no misy azy io. Mivarina ao amin’ny Reniranon’i Balikh ilay renirano, rehefa ririnina. Any amin’ny 110 km eo ho eo alohan’ny hivarinan’ny Reniranon’i Balikh ao amin’ny Reniranon’i Eofrata no misy an’i Harana ankehitriny. Misy mihevitra anefa hoe any avaratr’i Harana ankehitriny no nisy an’i Harana fahiny. Mitovy amin’ny anaran’ny loham-pianakaviana fahiny toa an’i Seroga, Nahora, ary Tera ny anaran-toerana fahiny any amin’io faritra io. (Ge 11:22-26) Noraisin’ny manam-pahaizana sasany ho porofo izany fa nonina tany amin’ireny toerana ireny ireo loham-pianakaviana ireo (ary izany tokoa no voalazan’ny Baiboly).