Harato
Kofehy na tady vita tenona makarakara, ary atao fakana trondro (Mpto 9:12; Is 19:8; Mt 4:18-21), vorona (Oh 1:17), na biby hafa (Is 51:20). Vita tamin’ny rongony, fibra azo avy amin’ny palmie, ary zozoro ny ankamaroany.
Hafa kosa no nampiasana ny harato metaly. Harato varahina, ohatra, no natao haingon’ireo loha andry teo an-tampon’ireo andry roa (Jakina sy Boaza) tao amin’ny tempoly. (Jereo LOHA ANDRY.) Nisy makarakara varahina miendrika harato koa ny alitara fanaovana sorona.—Ek 27:4, 5; 38:4; 1Mp 7:16-18, 41, 42; Je 52:22, 23.
Heviny an’ohatra. Ilazana tetika hamandrihana olona ny hoe “harato” matetika. Voafandrika izy ireo ka lasa babo, na misy loza manjo azy. (Jb 18:8; 19:6; Sl 66:11; Ft 1:13; Ezk 12:13; 17:20; 19:8; 32:3; Ho 5:1; 7:12; Mi 7:2) Toy ny hoe nampiasa harato tarihina ny Kaldeanina mba handresena firenena maro sy hakana ny faritra nidadasika nonenany. (Ha 1:6, 15-17) Toy ny harato koa ny fandokafana sy ny tetiky ny vehivavy ratsy fitondran-tena. (Oh 29:5; Mpto 7:26) Natoky ny mpanao salamo fa hafahan’i Jehovah avy tao amin’ny fandrika harato izy (Sl 25:15; 31:4; 140:5, 12), fa ireo namelatra an’ilay harato kosa ho voafandrik’ilay izy ihany.—Sl 9:15; 35:7, 8; 57:6; 141:10.
Hazavain’ny lahatsoratra hoe FIHAZANA SY FANARATOANA, HARATO TARIHINA, ary MPAMANDRI-BORONA ny fanamboarana harato sy ny fampiasana azy.