Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Harato Tarihina

Harato Tarihina

Harato fakana trondro, taritaritina any ambanin’ny rano. (Ezk 26:5, 14; 47:10) Tady rongony no nanaovana azy io tany Ejipta fahiny. Nasiana firamainty ny tany ambaniny, ary bosoa hazo nitsinkafona ny tetỳ ambony. Azo inoana fa nitovy tamin’izany ny haraton’ny Israelita.

Mety ho toy ny ankehitriny ihany ny fomba fampiasa ny harato tarihina tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane fahiny. Nalatsaka avy teo an-tsambo ilay harato ary natao nanodidina andian-trondro. Ny tady teo amin’ireo zorony kosa samy nosintonin’ny lehilahy maromaro nankeny amoron-dranomasina, ka nanao antsasa-paribolana ilay harato rehefa nakarina tsikelikely. (Mt 13:47, 48) Nisy indray harato natao faribolana, ary nosintonina hihatery. Nisy olona nisitrika tao anaty rano avy eo. Nosintoniny nankeo ambanin’ny harato ny sisiny mavesatra mba hisy fanambaniny ilay harato. Nosarihana nankao anaty sambo iray na maromaro ilay harato avy eo (Lk 5:6, 7), na indraindray notarihina teny amin’ny rano marivo ka teo no nalana ny trondro.​—Ampit. Jn 21:8, 11.

Ilazana an’ohatra fanangonana olona (Mt 13:47, 48) sy ny fon’ny vehivavy ratsy fitondran-tena (Mpto 7:26) ary ny tetika hamandrihana olona (Mi 7:2) ny harato tarihina, ao amin’ny Baiboly. Toy ny hoe mampiasa harato tarihina koa izay firenena manafika.​—Ha 1:15-17.