Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Harefo

Harefo

[Heb.: ʼagmôhn].

Zavamaniry toy ny ahitra, maniry eny amin’ny honahona. Boribory sy poakaty matetika ny tahony, maniry tsitelotelo ny raviny toy ny bozaka, ary somary volontsôkôlà na maitso ny voninkazony kely. Mety ho harefo isan-karazany na zavamaniry toy ny ahitra ilay hoe ʼagmôhn (heb.).

Nandrehetana afo tao am-patana ny harefo taloha. (Jb 41:20) Mety ho tady vita tamin’ny harefo na tamin’ny fibra avy aminy ny “harefo” resahin’ny Joba 41:2.

An’ohatra ny ʼagmôhn resahin’ny andininy hafa. Tsy nankasitrahan’i Jehovah ny Israely mpikomy, izay nifady hanina sy nanondrika ny lohany toy ny harefo. (Is 58:5) Toa mpaminany sandoka (ny “rambo”) nilaza an’izay tian’ny mpitondran’ny firenen’Israely (ny “loha”, na “tsimoka”) ho re fotsiny ilay “harefo” resahin’ny Isaia 9:14.​—Is 9:15; jereo koa ny 19:15 (toa ny Ejipsianina indray ilay “harefo” ao).