Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Harena

Harena

Zavatra ananana be dia be; toetra tsara, tombontsoam-panompoana, ary fankasitrahan’Andriamanitra.

Asongadin’ny Soratra Masina fa zava-dehibe noho ny manana vola aman-karena ny mifandray tsara amin’i Jehovah Andriamanitra, toy ny ataon’izay manam-pinoana sy manao ny sitrapony foana. Ampirisihin’i Kristy Jesosy ‘hanan-karena eo imason’Andriamanitra’ (Lk 12:21) sy hanangona ‘harena any an-danitra’ isika. (Mt 6:20; Lk 12:33) Toy ny hoe manangona harena any amin’ny Mpamorona any an-danitra ireo miezaka manao asa tsara, ka hahazo fitahiana maharitra. Afaka manantena handova “harena be voninahitra” any an-danitra ny Kristianina voahosotra (Ef 1:18), ary manankarena finoana, fitiavana, hatsaran-toetra, ary toetra tsara hafa izy ireo raha mbola ‘mivahiny’ eto an-tany.​—Ampit. Ga 5:22, 23; Jk 2:5; 1Pe 2:11, 12; 2Pe 1:5-8.

Loham-pianakaviana fahiny nanan-karena. Tsy adidin’ny mpanompon’i Jehovah fahiny, toa an’i Abrahama sy Joba loham-pianakaviana, ny nitaona olona ankoatra ny ankohonany hanompo an’ilay tena Andriamanitra. Ny nanome izay nilain’ny ankohonany teo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy àry no nifantohan’izy ireo. Notahin’i Jehovah izy ireo ka lasa nanana biby fiompy, mpanompo, ary volamena sy volafotsy maro be.​—Ge 12:16; 13:2; 14:14; 30:43; 32:10; Jb 1:2, 3; 42:10-12.

Tsy tia vola aman-karena anefa izy ireo na te hangoron-karena foana. Fantany fa ny fitahian’i Jehovah no nampanan-karena azy. Afaka nampitombo ny harenany, ohatra, i Abrahama rehefa avy nandresy mpanjaka efatra ka nahazo ny fananana rehetra nobaboin’izy ireo tao Sodoma. Nasain’ny mpanjakan’i Sodoma nalainy daholo ireo fananana ireo, nefa hoy izy: “Manangan-tanana aho ka mianiana amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra, Mpanao ny lanitra sy ny tany, fa tsy haka na inona na inona amin’izay anao. Tsia, tsy haka aho na dia kofehy iray, na fehin-kapa iray aza, sao ianao hilaza hoe: ‘Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.’ Tsy mila na inona na inona aho.” (Ge 14:22-24) Hoy koa i Joba rehefa fongana ny biby fiompiny sy ny zanany: “I Jehovah no nanome, ary i Jehovah no naka. Hisaorana hatrany anie ny anaran’i Jehovah!”​—Jb 1:21.

Azo nanankinana harena i Abrahama sy Joba ary ny hafa satria nazoto niasa sady nampiasa tsara ny fananany. Vonona hanampy foana ny mahantra sy ory, ohatra, i Joba. (Jb 29:12-16) Rariny àry raha narovan’i Jehovah Andriamanitra tamin’ireo mpanambaka tia tena sy tia vola ny mpanompony.​—Ge 31:5-12; Jb 1:10; Sl 105:14.

Ho nanan-karena ny Israely raha nankatò. Ho nanan-karena toa an’ireo loham-pianakaviana tsy nivadika ny Israelita, raha nifandray tsara tamin’i Jehovah Andriamanitra foana. Tokony hotsaroany, hoy i Mosesy, fa i Jehovah no nanome azy ireo hery hahazoana harena. (De 8:18) Izy tokoa no nanome tany ho lovan’ilay firenena nanaovany fifanekena. (No 34:2-12) Nomeny orana ara-potoana izy ireo, narovany tamin’ny fahavalo, ary nataony izay hahatsara ny vokatra.​—Le 26:4-7.

Tian’Andriamanitra hanan-karena ny Israely, nefa nila nankatò. Hoy i Mosesy: “Hosokafan’i Jehovah ho anao ny fitehirizam-bokatra tsara, dia ny lanitra, mba handatsahany orana amin’ny fotoanany eo amin’ny taninao sy mba hitahiany izay rehetra ataon’ny tananao. Dia hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy mba hisambotra. Ary hataon’i Jehovah lohany ianao fa tsy rambony. Ary ho eny amin’ny fara tampony foana ianao, fa tsy ho eny amin’ny farany ambany, satria ianao mankatò hatrany ny didin’i Jehovah Andriamanitrao.” (De 28:12, 13) Raha nanan-karena ny vahoakany, dia ho nahazo voninahitra i Jehovah, satria ho hitan’ireo firenena nanodidina hoe Izy no ‘nampanan-karena’ (1Sa 2:7) azy ireo, ary nahasoa azy rehetra ilay Lalàna nomeny.

Nisy nanome voninahitra an’i Jehovah tokoa, rehefa nahita ny harenan’ny Israely tamin’ny andron’i Solomona. Raha vao nanjaka izy, dia nasain’i Jehovah nangataka izay tiany ka tsy nangataka harem-be fa fahendrena sy fahalalana hoenti-mitsara an’ilay firenena. Nomen’i Jehovah azy izany, mbamin’ny “harena sy fananana ary voninahitra.” (2Ta 1:7-12; 9:22-27) Nalaza ny anaran’i Jehovah rehefa niely ny lazan’ny fahendrena sy harenan’i Solomona. Tonga avy lavitra àry ny mpanjakavavin’i Sheba mba hijery raha marina ny hoe nomen’i Jehovah fahendrena sy harena i Solomona. (1Mp 10:1, 2) Lasa niaiky izy io fa tian’i Jehovah ny Israely. Hoy izy: “Marina tokoa ny zavatra reko tany amin’ny taniko momba anao sy ny fahendrenao. Tsy nino ny tenin’ny olona aho raha tsy tonga tatỳ, ka ny masoko mihitsy no nahita. Fa hay na ny antsasany aza tsy nolazaina tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny zavatra reko tamin’ny olona ny fahendrenao sy ny harenanao. Sambatra ny olonao, ary sambatra ireto mpanomponao ireto, izay eto anatrehanao mandrakariva, ka mandre ny fahendrenao! Hisaorana anie i Jehovah Andriamanitrao izay nankasitraka anao ka nametraka anao eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely! Tian’i Jehovah mandritra ny fotoana tsy voafetra mantsy ny Israely, ka notendreny ho mpanjaka ianao, mba hamoaka didim-pitsarana sy hampihatra ny rariny.”​—1Mp 10:6-9.

Nanana ny ampy ny firenen’Israely ka faly nihinana sy nisotro (1Mp 4:20; Mpto 5:18, 19), ary niaro azy tsy ho sahirana hoatran’ny mahantra ny harenany. (Oh 10:15; Mpto 7:12) Tian’i Jehovah hanan-karena ny Israelita rehefa niasa mafy (ampit. Oh 6:6-11; 20:13; 24:33, 34), kanefa nampitandremany koa sao hanadino hoe Izy no nampanan-karena azy ireo, ka hitoky amin’ny harena. (De 8:7-17; Sl 49:6-9; Oh 11:4; 18:10, 11; Je 9:23, 24) Nampahatsiahivina izy ireo hoe mihelina ihany ny harena (Oh 23:4, 5), tsy azo omena an’Andriamanitra hanavotana olona tsy ho faty (Sl 49:6, 7) ary tsy ilain’ny maty (Sl 49:16, 17; Mpto 5:15). Mety hamitapitaka izay tia harena, ka tsy hankasitrahan’i Jehovah. (Oh 28:20; ampit. Je 5:26-28; 17:9-11.) Nampirisihina kosa ny Israelita ‘hanome voninahitra an’i Jehovah tamin’ireo zava-tsarobidy nananany.’​—Oh 3:9.

Tsy hoe nanan-karena daholo anefa ny Israelita rehetra, na hoe tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny Israelita iray matoa nahantra. Nety ho lasa nahantra ny olona sasany noho ny sampona. (Mpto 9:11, 12) Namela kamboty sy mpitondratena, ohatra, ny lehilahy iray nodimandry. Nety ho tsy afaka niasa elaela na tsy afaka niasa intsony koa ny olona tra-doza na narary. Tokony halala-tanana tamin’ny mahantra sy ny ory àry ny Israelita nanan-karena.​—Le 25:35; De 15:7, 8; Sl 112:5, 9; Oh 19:17; jereo FIANTRANA NY MAHANTRA; MAHANTRA.

Ny mpianatr’i Kristy Jesosy sy ny harena. Tsy toy ny loham-pianakaviana fahiny sy ny firenen’Israely ny Kristianina, satria nirahina ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Mt 28:19, 20) Izany no nanokanany ny fotoanany sy ny heriny fa tsy ny asa aman-draharaha. Tsy afaka ny ho mpianatr’i Jesosy na hanantena ny ho any an-danitra àry izay nifikitra tamin’ny harenany, ka tsy nanokana fotoana hanaovana mpianatra na nampiasa ny harenany tamin’io asa io. Hoy ny Zanak’Andriamanitra: “Ho sarotra tokoa ny hidiran’ny mpanam-bola ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra! Mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lk 18:24, 25) Vao avy nilaza toy izao tamin’ny tovolahy mpanankarena iray izy tamin’izay: “Amidio daholo ny fanananao, ka zarao amin’ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao. Ary andao hanara-dia ahy.” (Lk 18:22, 23) Tsy vonona hanome ny fananany hanampiana ny Israelita mahantra anefa ilay tovolahy, na dia tokony hanao izany aza. (Oh 14:21; 28:27; Is 58:6, 7; Ezk 18:7-9) Tsy vonona ny handa tena sy hanara-dia an’i Jesosy Kristy koa izy. Tsy afaka ny hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra àry izy.

Tsy voatery ho lasa mahantra sy hovelomim-potsiny anefa ny Kristianina, fa tokony hiasa mafy kosa mba ho afaka hamelona ny fianakaviany sy “hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.” (Ef 4:28; 1Te 4:10-12; 2Te 3:10-12; 1Ti 5:8) Tokony hahay hianina izy rehefa manan-kanina sy fitafiana ary fialofana, fa tsy hifofotra hikatsaka harena. Mety hanao ny tsy marina izay mikatsaka harena, ary mety halemy finoana satria manao tsirambina ny fanompoany an’Andriamanitra. Nisy Kristianina nanao toy izany anefa, araka ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena. Fitiavam-bola mantsy no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.”​—1Ti 6:9, 10.

Tsy te hilaza tamin’ilay tovolahy akory i Jesosy hoe tsy afaka ny hanan-karena ny Kristianina. Nisy mpanankarena, ohatra, ny Kristianina tany Efesosy, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nasain’i Paoly nampirisika azy ireo hahafoy ny fananany rehetra anefa i Timoty, fa hoy kosa i Paoly: “Anaro ny manankarena eto amin’ity tontolo ity, mba tsy hanambony tena, na hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika. Anaro koa izy ireny mba hanao soa, sy hanan-karena amin’ny asa tsara, ho tia manome, ho vonon-kizara, ka hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy. Amin’izay izy dia hifikitra mafy amin’ny tena fiainana.” (1Ti 6:17-19) Nila nitandrina àry izy ireo mba tsy hanao ny harena ho loha laharana teo amin’ny fiainany, fa hampiasa izany hanampiana ny hafa kosa.

Mamôna. Harena na vola no dikan’ny teny grika hoe mamônas (na mamôna). (Mt 6:24; Lk 16:9, 11, 13; ampit. Prot., JM.) Tsy misy porofo hoe anarana andriamanitra izy io. Nampiasa an’io teny io i Jesosy rehefa nilaza fa tsy afaka ny hanompo an’Andriamanitra izay manompo ny Harena. (Mt 6:24) Hoy koa izy: “Ataovy izay hahazoana namana amin’ny alalan’ny harena tsy marina, mba horaisin’izany namana izany any amin’ny fonenana mandrakizay ianareo rehefa lany izany harena izany.” (Lk 16:9) Mety handika lalàna ireo manana harena na te hanan-karena, ka izany angamba no antony ilazana ny fananana hoe “harena tsy marina”, tsy hoatran’ny harena ara-panahy. An’i “Kaisara” koa ny harena, indrindra fa ny vola, raha ny marina, satria izy no manamboatra vola sy milaza ny sandany. Izy koa no mitantana azy io. Mihelina ihany ny harena, ary mety ho fongana noho ny fiovan’ny toe-karena na ny toe-javatra hafa. Tsy tokony hitoky amin’ny harena àry izay manankarena, na ho tia tena ka hangoron-karena, toy ny ataon’ny olona eto amin’ity tontolo ity. (1Ko 7:31) Tokony ho mailaka sy hiezaka ho lasa naman’ireo tompon’ny fonenana mandrakizay kosa izy.

I Jehovah Andriamanitra sy Kristy Jesosy Zanany no tompon’ny “fonenana mandrakizay.” (Ampit. Jn 6:37-40, 44.) Tsy ho lasa naman’izy ireo mihitsy izay tsy mampiasa tsara ny “harena tsy marina” (tsy anampiany an’ireo sahirana na ampielezany ny “vaovao tsara”, ohatra). (Ga 2:10; Fi 4:15) Tsy azo anankinana harena ara-panahy àry ny olona tsy mendri-pitokisana toy izany, satria tsy hainy ny mampiasa ny harena tsy marina. (Lk 16:10-12) Tsy ho lasa mpanompo tsara miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra mihitsy izy, ka tsy ho afaka hizara harena ara-panahy.​—1Pe 4:10, 11.