Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hareza

Hareza

Fitaovana maranitra fanesorana volo. Avy amin’ny fototeny midika hoe ‘atao mihanjahanja’ ny teny hebreo roa ilazana ny hareza. (Is 3:17) Nahitana hareza halimo tany Ejipta. Marina àry ny voalazan’ny Baiboly hoe efa hatry ny ela ny olona tany no nampiasa hareza.​—Ge 41:14.

Nisy volombava ny lehilahy israelita ary somary lava volo, kanefa toa nampiasa hareza rehefa nofaranany ny volony. ‘Noharatan’ny’ (DIEM) lehilahy sasany na ‘nohetezany ho fohy’ (TV) koa ny volony. (As 18:18; jereo koa 2Sa 19:24; Ezk 44:20.) Noharatan’ny Levita tamin’ny hareza ny tenany manontolo, tamin’izy ireo napetraka teo amin’ny toerany mba hanompo tao amin’ny tranolay fihaonana tany an-tany efitra. (No 8:7) Tsy tokony hokasihin-kareza ny lohan’ny Nazirita, raha tsy efa tapitra ny fotoana nanefany ny voadiny. (No 6:5, 18; Mpts 13:5; 16:17; As 21:23, 24) Tsy nokasihin-kareza mihitsy ny lohan’i Samoela. Levita natokan’ny reniny hanompo tao amin’ny tranolay fihaonana mantsy izy, raha mbola tsy teraka akory.​—1Sa 1:11.

Nampitandrina an’ny Joda i Jehovah fa ny Asyrianina no “hareza” hampiasainy “hanaratana ny loha sy ny volon-tongotra” ary ‘hanesorana tanteraka ny volombava.’ Ho lao àry ny tanin’i Joda, ary hatao sesitany ny mponina ao aminy.​—Is 7:20.

Mety ho toy ny harezan’ny mpanety koa ny sabatra maranitra, matoa io no nasain’Andriamanitra nanaratan’i Ezekiela ny volony sy volombavany. Nasiany tamin’io avy eo ny ampahatelon’ireo volo, mba hampisehoana fa hisy hovonoina amin’ny sabatra ny mponin’i Jerosalema. (Ezk 5:1, 2, 12) Efa nisy mpanety koa àry tamin’izany.

Toy ny hareza ny lela mamitaka satria mety handratra.​—Sl 52:2.