Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Harima

Harima

(Harìma) [Voatokana; Voarara].

1. Mpisorona taranak’i Arona. Voafidy tamin’ny antsapaka izy mba ho lehiben’ny fizarana faha-3 tamin’ireo antoko-mpisorona 24 nalamin’i Davida. (1Ta 24:1, 3, 7, 8) Anisan’ny mpisorona velona taorian’ny sesitany ny “taranak’i Harima”: Nisy 1017 izy ireo no niverina avy tany Babylona tamin’ny 537 T.K. (Ezr 2:1, 2, 36, 39; Ne 7:42) I Adna no lohan’io fianakaviambe io, teo amin’ny taranaka nanaraka. (Ne 12:12, 15) Nisy dimy ny “taranak’i Harima” nanambady vehivavy hafa firenena, nefa nandroaka an’ireny ho fankatoavana an’i Ezra. (Ezr 10:10, 11, 21, 44) Nisy solontenan’io fianakaviambe io, (na olona iray anisan’io fianakaviambe io fa nantsoina koa hoe Harima), nanaiky an’ilay fifanekena ny tsy hivadika amin’i Jehovah, izay natao taorian’ny 455 T.K., taona nahatongavan’i Nehemia.​—Ne 9:38; 10:1, 5, 8.

2. Razamben’ny fianakaviambe iray tsy mpisorona. Nisy 320 tamin’io fianakaviambe io niala tany Babylona ka niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela. (Ezr 2:1, 2, 32; Ne 7:35) Nisy valo ny taranak’i Harima nanambady vehivavy hafa firenena sy nandroaka an’ireny, toy ny nataon’ny sasany tamin’ny fianakaviana mpisorona taranak’i Harima No. 1. (Ezr 10:25, 31, 32, 44) Nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia Governora koa ny solontenan’ny taranak’i Harima. (Ne 9:38; 10:1, 14, 27) Anisan’ny nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema i Malkia “zanak’i Harima.”​—Ne 3:11.