Harmona
(Harmôna).
Tsy tena fantatra hoe manondro inona ny teny hebreo niavian’ny hoe “Harmona”, satria tsy ny hevitry ny teny no nadika fa ireo litera hebreo fotsiny. (Am 4:3, Prot., TV). Misy mpandika teny mandika ny heviny hoe “antontam-pako” (AT) sy hoe “lapa” (Syn). “Ny tendrombohitra Remana” kosa no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Raha io no akaiky kokoa an’ilay teny hebreo tany am-boalohany, dia mety ho ny “harambaton’i Rimona” no tiana holazaina amin’ny hoe “Harmona.”—Mpts 20:45, 47.