Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Harona, Sobika

Harona, Sobika

Natao tamin’ny ravim-palmie, bararata, harefo, tady, rantsankazo, ary hazomalahelo norarina hatao fitoeran-javatra, ary nampiasaina teny an-tsaha, tao an-trano, na tamin’ny fomba hafa fahiny. Isan-karazany ny bikany sy habeny ary ny fomba nanaovana azy. Nisy natao rary mikatona tsara. Tao ireo nisy tahony sy sarony, na tsy nisy mihitsy, na nisy tahony na sarony fotsiny.

Tsy resahin’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany ny karazana harona sy sobika tany Palestina fahiny, kanefa misy teny hebreo sy grika samihafa ilazana azy ireny. Sal (heb.) matetika no ilazana ny harona, toy ireo harona telo feno mofo fotsy nololohavin’ny lehiben’ny mpanao mofon’i Farao, tao amin’ny nofy. Hovonoina ho faty izy, hoy i Josefa, no dikan’ilay nofy, ary izay tokoa no nitranga. (Ge 40:16-19, 22) Sal koa ilay “harona fampiasa rehefa mametraka mpisorona eo amin’ny toerany”, ary nasiana mofo tsy misy lalivay, mofo boribory ary mofo fisaka tao anatiny. (Ek 29:3, 23, 32; Le 8:2, 26, 31) Sal koa no iantsoana an’ilay harona nisy mofo boribory sy mofo fisaka (samy tsy nisy lalivay) natolotry ny Nazirita, rehefa tapitra ireo andro naha Nazirita azy (No 6:13, 15, 17, 19), sy ilay nasian’i Gideona ny hena narosony teo amin’ny anjelin’i Jehovah. (Mpts 6:19) Tsy resahin’ny Baiboly ny mombamomba ny sal, nefa toa vita rary tsara izy io, ary tatỳ aoriana dia natao tamin’ny tahon’ny hazomalahelo nendahan-koditra na ravim-palmie. Mety ho nivelatra be izy io ka azo nitondrana mofo, toy ireo nonofisin’ilay mpanao mofon’ny mpanjaka. Misy sarim-behivavy vita sokitra hazo miloko ao amin’ny Tranombakoka Britanika. Miloloha harona mivelatra be izy, ary feno sakafo ho an’ny maty, hono, ilay harona.

‘Nandevozina mafy’ tany Ejipta ny Israelita ary ‘nasaina nanao rihitra tanimanga sy biriky.’ (Ek 1:14) Sobika no nitondrany akora fanorenana, tanimanga fanaovam-biriky, ary biriky. “Tsy nampitondraina sobika [middod] intsony [àry] ny tanany” rehefa nafahan’i Jehovah izy ireo, hoy i Asafa mpanao salamo. (Sl 81:4-6) Dod (heb.) no ilazana ny harona fitondrana aviavy (Je 24:1, 2), na koa vilany (“vilany misy tahony roa” [1Sa 2:14]), “vilanibe” (2Ta 35:13), ary “fatana.”​—Jb 41:20.

Teneʼ (heb.) no ilazana ny harona nasiana ny voaloham-bokatra nentina teo anatrehan’i Jehovah, teo anoloan’ny alitarany. (De 26:2, 4) Vokatry ny tany no natao tao anatin’ilay harona izay angamba lehibe sy lalina. Nampiasa ny hoe teneʼ i Mosesy rehefa nilaza tamin’ny Israely fa ‘hotahina ny harony [teneʼ] sy ny vilia famolavolany koba’ raha nankatò izy ireo, fa ‘ho voaozona [kosa] ny harony sy ny vilia famolavolany koba’ raha tsy nankatò izy ireo.​—De 28:5, 17.

Mety ho harona vita tamin’ny harefo na ravinkazo norarina ny hoe kelov (heb.), toy ilay “harona misy voankazo masaka fahavaratra” hitan’i Amosa tao amin’ny fahitana nasehon’i Jehovah taminy. (Am 8:1, 2) Adika koa hoe “tranom-borona” ny hoe kelov.​—Je 5:27.

Kar (heb.) kosa no ilazana an’ilay ‘harom-behivavy teo amin’ny lasely.’​—Ge 31:34.

Nahafeno harona 12 ny sombintsombiny sisa tsy lany tamin’ny mofo sy trondro, izay nampitomboin’i Jesosy Kristy tamin’ny fomba mahagaga ho an’ny lehilahy 5000 teo ho eo, ankoatra ny zaza amam-behivavy. (Mt 14:20; Mr 6:43; Lk 9:17; Jn 6:13) Kôfinôs (gr.) no ilazan’ny Filazantsara efatra an’ilay harona. Harona kelikely izy io, ary fitondrana vatsy rehefa nanao dia lavitra. Nentina tamin’ny tanana izy io, na mety ho nisy tadiny ka azo nobabena. Tombanana ho nahazaka 7,5 L izy io, satria kôfinôs koa no ilazana ny famarana mirefy 7,5 L eo ho eo fampiasa tany Boeotia.

Nahafeno sobika fito kosa ny sombintsombiny sisa tsy lany tamin’ny mofo fito sy trondro madinika vitsivitsy, izay nomen’i Jesosy ho an’ny lehilahy 4000 teo ho eo ankoatra ny zaza amam-behivavy. Sfyris na spyris (gr.) anefa no ilazana an’ilay sobika, izay lehibe sady nisarona. (Mt 15:37; Mr 8:8) Kely kokoa ny kôfinôs, izay fitondran’ny Jiosy rehefa nivezivezy tao amin’ny taniny ihany na nandeha vetivety. Sfyris kosa no nentiny rehefa nandeha lavitra nankany an-tany hafa izy. Toa omby olona mihitsy ilay izy indraindray. Asehon’ny Filazantsara fa samy hafa ny kôfinôs (“harona”, TV) sy ny sfyris (“sobika”, TV), rehefa jerena ny fitantaran’i Jesosy Kristy tatỳ aoriana momba ny nampitomboany sakafo tamin’ny fomba mahagaga.​—Mt 16:9, 10; Mr 8:19, 20.

Sfyris ilay sobika nampidinana an’i Paoly avy teo am-baravarankelin’ny mandan’i Damaskosy. (As 9:25) Sargane (gr.), izay sobika vita amin’ny tady na rantsankazo norarina, kosa no nilazan’i Paoly azy io tamin’ny Kristianina tany Korinto. Azo ilazana karazan-tsobika iray ihany àry ny hoe sfyris sy sargane.​—2Ko 11:32, 33.

Hoy i Jesosy Kristy, rehefa avy nilaza fa “fahazavan’izao tontolo izao” ny mpianany: “Rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka azy ao ambany sobika famarana fa eo amin’ny fitoeran-jiro, mba hanazava an’izay rehetra ao an-trano.” Nahazaka 9 L teo ho eo io “sobika famarana” (gr.: môdiôs) io. Nampiasa teny an’ohatra anefa eo i Kristy mba hanasongadinana fa tsy tokony hosaronan’ny mpianany ao ambany “sobika famarana” an’ohatra ny fahazavan’izy ireo ara-panahy. Hoy koa izy: ‘Aoka hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.’​—Mt 5:1, 2, 14-16; jereo koa Mr 4:21; Lk 11:33.