Haroseta
(Harosèta).
“Harosetan’ireo firenena” no anarana fenon’io toerana io. Io no toeram-pamaharan’ny tafik’i Sisera mpitari-tafik’i Jabina Kananita, izay nanjaka tao Hazora. (Mpts 4:2, 13) Nanenjika an’ireo fahavalo hatrany Hasoreta i Baraka Mpitsara mba handresena azy ireo. (Mpts 4:16) Toa ahitana ny anaran’i Haroseta (midika hoe “Ala; Kirihitra Feno Hazo”) ao amin’ny hoe el-Haritiyeh, any akaikin’ny lalana mivoaka any andrefan’ny Lemak’i Jezirela, ary tokotokony ho 16 km any avaratra avaratrandrefan’i Megido. Manam-pahaizana maro anefa no milaza fa tany Tell ʽAmr (Tel Meʽammer), toerana eny akaiky eny ihany, no tena nisy an’i Haroseta fahiny.