Harpa
(hàrpa).
Zavamaneno resahin’ny Baiboly voalohany (Ge 4:21, JM, TV), ary avy amin’ny hoe kinnôhr (heb.), izay nadikan’ny Baiboly hafa hoe “valiha” (Kat.) na “lokanga” (Prot.). Miseho in-42 ao amin’ny Baiboly ny hoe kinnôhr, ary nadikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hoe kitara (gr.) ny antsasany eo ho eo. Hoatran’ny harpa kely (gr.: lyra) ny kitara, saingy kely kokoa ny vatany. Nadikan’ny Baiboly maoderina hoe “harpa” kosa ny hoe kitara, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. (1Ko 14:7; Ap 5:8) Asehon’ny sary eo amin’ny tsangambato ejipsianina fa nanana endriny samihafa ny harpa fahiny, ary niovaova ny isan’ny tadiny. Misy àry milaza fa mety ho nilazana an’izay zavamaneno nitovitovy tamin’ny harpa fahiny ny hoe kinnôhr.
Asehon’ny Soratra Hebreo fa maivana sy mora entina ny kinnôhr, matoa azo notendrena teny am-pilaharana, ary notendren’ny mpivaro-tena nandehandeha nihira eran’ny tanàna. (1Sa 10:5; 2Sa 6:5; Is 23:15, 16) Nisy harpa vita tamin’ny hazo “algoma.” (1Mp 10:12) Mety ho tsinaikelin’ondry na fibra avy amin’ny zavamaniry no natao tadiny.
Nahay “nitendry” kinnôhr i Davida (1Sa 16:16, 23), ary noho ny baikony, dia anisan’ny zavamaneno tena nampiasain’ny orkesitry ny tempolin’i Solomona izy io sy ny “lokanga” (nevel). (1Ta 25:1; 2Ta 29:25) Notendrena ny kinnôhr rehefa notokanan’i Nehemia ny mandan’i Jerosalema, satria fotoana nahafaly izany. (Ne 12:27) Zavamaneno “mahafinaritra” izy io ary notendren’izay ‘falifaly’, ka tsy re ny feony rehefa nisy fanamelohana na sazy. (Sl 81:2; Ezk 26:13; Is 24:8, 9) Tsy te hitendry harpa mihitsy koa ny Israelita babo tany Babylona fa nalahelo, ka nahantony teny amin’ny hazo aravaha ny azy.—Sl 137:1, 2.
Tsy tena fantatra hoe inona ny kinnôhr, indrindra fa ny nevel, ka manombantombana fotsiny izay mampitovy 1Ta 15:20, 21) Raha feo ambony ny hoe “Alamota” ary feo ambany ny hoe “Seminita”, dia mety ho zavamaneno lehibe kokoa mamoaka feo ambany ny kinnôhr. Mety ho ny mifamadika amin’izany koa anefa no izy (araka ny hevitra iombonan’ny maro), matoa voalaza eo hoe nampanarahina feo Alamota sy Seminita fa tsy feo hafa nahazatra ireo zavamaneno ireo. Na ahoana na ahoana, dia samy mora entina izy ireo.
azy ireo. Nisy “lokanga [nevalim, mr.] nampanarahina feo Alamota” sy “harpa [kinnôrôht, mr.] nampanarahina feo Seminita.” (Toa “harpa telozoro” (TV) ilay hoe sabbekaʼ (aram.), izay nadika koa hoe “zavamaneno telozoro” (CT) sy “samboka” (Prot., JM). (Da 3:5, 7, 10, 15) Mifanaraka amin’ireo dikany omen’ny Baiboly ireo, ny fiheveran’ny sasany hoe harpa kely telozoro misy tadiny efatra mamoaka feo maranitra ny sabbekaʼ.—Jereo LOKANGA.