Hasmona
(Hasmôna).
Toerana nitobian’ny Israelita. Toa teo anelanelan’i Mitka sy Moserota izy io. (No 33:29, 30) Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy. Misy mihevitra fa ny Lohasaha Falehan-driaka Hashim, izay tsy lavitra ny toerana heverina fa nisy an’i Kadesi-barnea, io Hasmona io. Misy kosa mihevitra azy io ho i Azmona.—No 34:4, 5; jereo AZMONA.