Hasoma
(Hasòma).
Lohan’ny fianakaviambe iray teo amin’ny Israely. Nisy tamin’ny taranany niaraka tamin’i Zerobabela avy tany Babylona, tamin’ny 537 T.K. (Ezr 2:1, 2, 19; Ne 7:22) Lehilahy fito “avy tamin’ny taranak’i Hasoma” no nandroaka ny vadiny hafa firenena, rehefa tonga tany Jerosalema i Ezra, tamin’ny 468 T.K. (Ezr 10:33, 44) Nijoro teo ankavian’i Ezra ny solontenan’ilay fianakaviambe na ny lehilahy iray nantsoina koa hoe Hasoma, rehefa novakin’i Ezra tamin’ny Israelita ny boky misy ny Lalàna. Nivory teo amin’ny tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin-drano tao Jerosalema ny Israelita tamin’izay. (Ne 8:1-4) Nisy solontenan’ny ankohonan’i Hasoma koa nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia Governora.—Ne 9:38; 10:1, 14, 18.