Hatoka, Vozona
Faritra amin’ny tenan’ny olombelona sy ny biby mampitohy ny vatana amin’ny loha. Azo inoana fa ny tena tiana hotondroina amin’ny teny hebreo nadika hoe hatoka na vozona, dia ilay faritra misy ny taolan-tenda ka mety ho tapaka (Ek 13:13; 1Sa 4:18) na ny ao andamosin’ny tenda. (Ge 49:8; Js 10:24) Matetika no manana heviny an’ohatra ny hoe “hatoka” na “vozona”, ao amin’ny Baiboly.
Amin’ny teny hebreo, ireo resy sy nandositra dia lazaina ara-bakiteny hoe nampitodika ny ‘hatony’ tany amin’ny fahavalo ka niamboho azy ireny. (Ampit. Js 7:8.) Midika hoe mandresy fahavalo àry ny hoe mametraka ‘ny tanana eo amin’ny hatoky ny fahavalo.’ (Ge 49:8; 2Sa 22:41, f.a.p.; Sl 18:40, f.a.p.) Ahitana sarina mpanjaka manitsaka ny hatoky ny fahavalony any amin’ireo tsangambato hita tany Ejipta sy Asyria, ary mitovy amin’izay voalaza tetsy aloha ihany ny dikany. Toy izany koa fa nandidy an’ireo mpitari-tafiny i Josoa hoe: “Avia etỳ aloha etỳ, ary apetraho eo amin’ny hatok’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo.”—Js 10:24.
Midika hoe manompo, manaiky, na eo ambany fanandevozana ny hoe misy zioga eny am-bozona. (Ge 27:40; Je 30:8; As 15:10) Miverimberina imbetsaka ny hoe “mafy hatoka”, ary midika hoe tia mikomy sy mafy loha. Mampitandrina antsika ny Soratra Masina hoe: “Izay efa nanarina imbetsaka nefa manamafy hatoka dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fanafany intsony.” (Oh 29:1; De 9:6, 13; 31:27; 2Mp 17:14; Sl 75:5; Is 48:4) Tena zava-dehibe ny anatra sy ny fahefan’ny ray aman-dreny (ary tena sarobidy ny didy sy ny lalàn’Andriamanitra), matoa asaina ‘fehezina eo am-bozona’, izany hoe atao eo amin’izay fasiana rojo kanto sy sarobidy.—Oh 1:8, 9; 3:1-3; 6:20, 21.
Tenda. Azo inoana fa ny teny hebreo nadika hoe “tenda” dia manondro ny eo aloha amin’ny hatoka, eo amin’izay misy ny taova fitenenana sy fitelemana. (Sl 115:7; Je 2:25) Mety hidika hoe manambony tena ny hoe manalava tenda sady mamindra. (Is 3:16) Hoy ny Baiboly momba an’ireo ratsy fanahy mpandainga sy mpandatsa-dra: “Tsy misy azo itokisana izay lazain’ny vavany. ... Fasana misokatra ny tendany.”—Sl 5:9; Ro 3:13.