Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hatsaram-panahy

Hatsaram-panahy

Toetran’olona miahy izay hahasoa ny hafa; fanaovan-tsoa sy fanampiana ny hafa. Krestôtes no teny fampiasan’ny Soratra Grika Kristianina ho an’ny “hatsaram-panahy.” I Jehovah Andriamanitra no modely tsara indrindra amin’ny hatsaram-panahy, satria maneho izany amin’ny fomba maro izy. Tsara fanahy amin’izay tsy mankasitraka sy amin’ny ratsy fanahy mihitsy aza izy, mba handrisihana azy ireny hibebaka. (Lk 6:35; Ro 2:4; 11:22; Tit 3:4, 5) “Mora entina” [na tsara fanahy, gr.: krestôtes] ny ziogan’i Kristy izay entin’ny Kristianina (Mt 11:30), ka ampirisihina izy ireo hitafy hatsaram-panahy (Kl 3:12; Ef 4:32) sy hiezaka hanana ny vokatry ny fanahy, anisan’izany ny hatsaram-panahy. (Ga 5:22) Izany no fomba ampisehoany fa mpanompon’Andriamanitra izy. (2Ko 6:4-6) “Ny fitiavana [dia] tsara fanahy.”​—1Ko 13:4.

Toetra mampiavaka an’i Kristy Jesosy ny ‘hatsaram-panahy’ (na fandeferana; a.b.t.: fileferana; gr.: epieikia). (2Ko 10:1) Voalaza fa tena tia olona ny mponin’i Malta ka tsara fanahy tamin’i Paoly. Ny teny grika hoe filantrôpia no nadika hoe ‘tia olona ka tsara fanahy.​—As 28:2.

Ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehon’Andriamanitra. Resahina matetika koa ny hatsaram-panahy ao amin’ny Soratra Hebreo, toy ny ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ihany. Matetika no midika hoe hatsaram-panahy ny teny hebreo hoe hesed, izay miseho in-245. Matoanteny avy amin’izy io ny hasad, ary midika hoe ‘tsy mivadika’, na maneho hatsaram-panahy feno fitiavana. (Sl 18:25) Tsy fiahiana na hatsaram-panahy vokatry ny fitiavana fotsiny izy io, fa hatsaram-panahy mahatonga olona iray ho tia sy hifikitra amin’ny olona iray hatramin’ny farany. Hazavain’ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Taloha fa mahatonga ny olona “hanao zavatra, ho tia mifandray amin’olona, ary hiaritra [ny hesed]. ... Tsy toe-tsaina fotsiny izy io, fa fanaovan-javatra vokatr’ilay toe-tsaina koa, ary fanaovana zavatra miaro ny aina na mahavelona. Fanampiana olona tra-doza na ory izy io. Fanehoana fisakaizana na fitiavam-bavaka koa izy io, ary mahatonga ny olona hanao zavatra tsara fa tsy ratsy.” (Nataon’i G. Botterweck sy H. Ringgren, 1986, Boky Faha-5, p. 51) Nadika hoe “hatsaram-panahy feno fitiavana” àry ny hesed amin’ny ankapobeny. Nadika hoe “fitiavana tsy miovaova” koa izy io, satria manana heviny hoe tsy fivadihana sy firaisan-kina. Ampiasaina amin’ny heviny milaza maro ny “hatsaram-panahy feno fitiavana” sy ny “fitiavana tsy miovaova”, amin’ny teny tany am-boalohany, anisan’izany ny ao amin’ny Salamo 25:6 sy Isaia 55:3.

Toetran’i Jehovah Andriamanitra ny hatsaram-panahy feno fitiavana. Toetra sarobidy tena tiany izy io, ary hita amin’izay ataony ho an’ny mpanompony. (Sl 36:7; 62:12; Mi 7:18) Efa ela izy ireo no ripaka raha tsy naneho an’io toetra io Andriamanitra. (Ft 3:22) Afaka nitalaho ho an’ny Israely mpikomy àry i Mosesy noho ny anaran’i Jehovah sy noho ny hatsaram- panahiny feno fitiavana.​—No 14:13-19.

Milaza ny Soratra Masina fa misy fomba sy toe-javatra maro anehoan’i Jehovah hatsaram-panahy feno fitiavana, na fitiavana tsy miovaova. Maneho izany, ohatra, izy rehefa mamonjy sy mitsimbina. (Sl 6:4; 119:88, 159) Ampiasainy iarovana (Sl 40:11; 61:7; 143:12) sy anamaivamaivanana fahoriana koa izy io (Rt 1:8; 2:20; Sl 31:16, 21). Manampy sy manohana koa izy io (Sl 94:18; 117:2), ary mety hahatafarina an’izay nanota. (Sl 25:7) Manampy an’ireo olom-boafidin’Andriamanitra izy io. (Sl 44:26) Niharihary koa izy io tamin’izay nataon’Andriamanitra ho an’i Lota (Ge 19:18-22), sy Abrahama (Mi 7:20), ary Josefa (Ge 39:21). Izy io koa no nanampy teo amin’ny fifidianana vady ho an’i Isaka.​—Ge 24:12-14, 27.

Rehefa lasa firenena ny Israely, dia mbola naneho hatsaram-panahy feno fitiavana Andriamanitra noho ny fifanekena nataony tamin’izy ireo. (Ek 15:13; De 7:12) Naneho izany koa Izy tamin’i Davida (2Sa 7:15; 1Mp 3:6; Sl 18:50), Ezra sy izay niaraka taminy (Ezr 7:28; 9:9), ary olon-kafa “an’arivony.” (Ek 34:7; Je 32:18) Mbola naneho izany foana izy, na dia taorian’ny nahafatesan’i Jesosy aza, satria efa nanao fifanekena tamin’i Davida momba ilay fanjakana. Natsangany tamin’ny maty àry io ‘mpanompony tsy mivadika’ io mba ho tanteraka ilay faminaniana hoe: “Hanehoako hatsaram-panahy feno fitiavana ianareo, dia ilay hatsaram-panahy azo itokisana izay nasehoko tamin’i Davida.”​—Sl 16:10; As 13:34; Is 55:3.

Io hatsaram-panahiny feno fitiavana io no nahasarika olona maro ho amin’i Jehovah. (Je 31:3) Matoky azy io izy ireo (Sl 13:5; 52:8), manantena azy io (Sl 33:18, 22), ary mivavaka mba hanehoan’Andriamanitra azy io aminy. (Sl 51:1; 85:7; 90:14; 109:26; 119:41) Mampionona azy ireo koa izy io. (Sl 119:76) Misaotra sy midera an’i Jehovah izy ireo noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana (Sl 66:20; 107:8, 15, 21, 31; 115:1; 138:2), ary miresaka momba izany amin’ny hafa (Sl 92:2). Tokony hanahaka an’i Davida izy ireo ka tsy hanandrana hanafina mihitsy an’io hatsaram-panahy feno fitiavana io (Sl 40:10), satria tsara izy io (Sl 69:16; 109:21) sady tena mahafaly. (Sl 31:7) Toy ny lalana mahafinaritra izy io.​—Sl 25:10.

Asongadin’ny andinin-teny hafa ny haben’io hatsaram-panahy feno fitiavana io (Sl 5:7; 69:13; Jo 4:2; No 14:19), sy ny faharetany. (1Mp 8:23) Mipaka hatreny amin’ny lanitra izy io (Sl 36:5; 57:10; 103:11; 108:4), mameno ny tany (Sl 33:5; 119:64), aseho amin’ny taranaka arivo mandimby (De 7:9), ary “maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra” (1Ta 16:34, 41; Sl 89:2; Is 54:8, 10; Je 33:11). Averimberin’ireo andininy 26 ao amin’ny Salamo 136 fa ‘mandrakizay ny hatsaram-panahy feno fitiavana’ asehon’i Jehovah.

Matetika io toetrany kanto io no ampifandraisina amin’ny famindram-po, hatsaram-panahy, fahamarinana, famelan-keloka, fahitsiana, fiadanana, fanaovana ny rariny sy ny hitsiny.​—Ek 34:6; Ne 9:17; Sl 85:10; 89:14; Je 9:24.

Hatsaram-panahy feno fitiavana asehon’ny olona. Mazava àry fa izay te hahazo sitraka amin’Andriamanitra dia tokony ho “tia hatsaram-panahy” sy “hifaneho hatsaram-panahy feno fitiavana”, ary “hifaneho famindram-po.” (Mi 6:8; Za 7:9) Voalaza fa “ny hatsaram-panahin’ny olona no zava-tsarobidy ananany”, ary ahazoany valisoa be dia be izy io. (Oh 19:22; 11:17) Tsaroan’i Jehovah sady nahafinaritra azy ilay hatsaram-panahy feno fitiavana nasehon’ny firenen’Israely tamin’izy ireo mbola zaza. (Je 2:2) Lasa “toy ny zavona maraina” sy “toy ny ando levona vao maraina” anefa izany, ka nalahelo i Jehovah satria ‘hatsaram-panahy feno fitiavana no sitrany fa tsy sorona.’ (Ho 6:4, 6) Nanarin’Andriamanitra àry ny Israely, ary efa hatsaram-panahy feno fitiavana izany fananarana izany. (Ho 4:1; Sl 141:5) Nasaina niverina tamin’Andriamanitra koa ny Israely ka ‘haneho hatsaram-panahy feno fitiavana sy hanao ny rariny.’ (Ho 12:6) Tokony haneho an’izany foana izay te hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy ny olona.​—Jb 6:14; Oh 3:3, 4.

Olona maro no tantarain’ny Baiboly hoe naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’olon-kafa. Naneho izany tamin’ny vadiny i Saraha, tamin’izy ireo tany amin’ny tanin’ny fahavalo, ka nolazainy hoe anadahiny izy mba hiarovana azy. (Ge 20:13) Niangavy an’i Josefa i Jakoba mba haneho izany toetra izany taminy, ka hianiana fa tsy handevina azy any Ejipta. (Ge 47:29; 50:12, 13) Niangavian’i Rahaba koa ny Israelita mba haneho izany taminy ka hitsimbina ny ain’ny ankohonany, satria izy koa mba nanao toy izany tamin’ireo Israelita mpitsikilo. (Js 2:12, 13) Naneho hatsaram-panahy feno fitiavana i Rota ka noderain’i Boaza. (Rt 3:10) Niangavy an’i Davida koa i Jonatana mba haneho izany toetra izany taminy sy tamin’ny ankohonany.​—1Sa 20:14, 15; 2Sa 9:3-7.

Maro be ny antony sy ny toe-javatra anehoan’ny olona hatsaram-panahy na hatsaram-panahy feno fitiavana. Mety hoe tia mandray vahiny na be fitiavana, ohatra, ilay olona, fa tsy voatery hoe te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. (Ampit. As 27:1, 3; 28:1, 2.) Nanehoana hatsaram-panahy koa ny lehilahy iray tao Betela ho valin’izay nataony fotsiny. (Mpts 1:22-25) Nisy olona iray nijaly koa nangataka an’ilay olona nasiany soa mba haneho hatsaram-panahy feno fitiavana taminy. (Ge 40:12-15) Indraindray anefa tsy naneho izany akory ilay olona. (Ge 40:23; Mpts 8:35) Asehon’ny ohabolana iray fa maro ny olona milaza ny tenany ho manana hatsaram-panahy feno fitiavana, nefa vitsy no azo itokisana hoe tena haneho izany. (Oh 20:6) Tsy nanadino ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehon’ny hafa i Saoly sy Davida. (1Sa 15:6, 7; 2Sa 2:5, 6) Toa nalaza ho be hatsaram-panahy feno fitiavana ireo mpanjakan’ny Israely (1Mp 20:31), raha noharina tamin’ireo mpitondra mpanompo sampy. Nadika vilana anefa ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehon’i Davida, indray mandeha, ka tsy nankasitrahana.​—2Sa 10:2-4.

Nilaza i Paoly fa tsy ho an’ny olo-marina no namoahana ny lalàna, fa ho an’ny ratsy toetra, anisan’izany ny olona tsy mena-mivadika (gr.: anôsiôs). (1Ti 1:9) Midika koa hoe tsy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana mantsy ilay teny grika hoe anôsiôs izay nadika hoe ‘tsy mena-mivadika.’​—2Ti 3:2.

Hatsaram-panahy tsy manam-paharoa. Hita in-150 mahery ny teny grika hoe karis ao amin’ny Soratra Grika, ary samy hafa no nandikana azy io, arakaraka ny zavatra resahina. Ao foana anefa ilay tena heviny hoe ankasitrahana (1Pe 2:19, 20) sy mahafinaritra. (Lk 4:22) Ilazana fanomezana atao amin-katsaram-panahy anefa izy io indraindray. (1Ko 16:3; 2Ko 8: 4, 6, 19) Midika hoe fiderana, na fisaorana rehefa nisy nanao zavatra tamin-katsaram-panahy koa izy io indraindray.​—Lk 6:32-34; Ro 6:17; 1Ko 10:30; 15:57; 2Ko 2:14; 8:16; 9:15; 1Ti 1:12; 2Ti 1:3.

“Fahasoavana” foana no andikan’ny ankamaroan’ny Baiboly malagasy ny hoe karis. Tsy tena mahalaza ny hevitr’ilay teny grika anefa izany, amin’ny ankamaroan’ny mpamaky. Voalaza, ohatra, hoe “ny Teny dia tonga nofo ... sady feno fahasoavana sy fahamarinana.” (Jn 1:14, Prot.) Inona no tena dikan’ny hoe “fahasoavana” eo?

Milaza ilay manam-pahaizana hoe R. Trench fa misy heviny hoe “asa soa atao tsy an-tery sady tsy misy fitakiana na fanantenana valiny [ny karis]. Nanjary nasongadina ny heviny ... ka lasa hoe hatsaram-panahy feno fitiavana asehon’Andriamanitra an-tsitrapo tanteraka amin’ny olombelona [toy ny ampiasana azy ao amin’ny Soratra Grika]. Izay heviny izay no tena nasongadin’i Aristote rehefa namaritra an’io karis io izy, ka nanazava fa aseho an-tsitrapo sy tsy misy fanantenana valiny izy io, ary fahalalahan-tanana tanteraka no manosika an’ilay maneho azy.” (Teny Mitovy Dika ao Amin’ny Testamenta Vaovao, Londres, 1961, p. 158) Hoy i Joseph Thayer: “Manana heviny hoe hatsaram-panahy aseho amin’izay tsy mendrika an’izany ny [karis] ... [Karis] no tena ampiasain’ireo mpanoratra ny Test[amenta] V[aovao] mba hilazana ilay hatsaram-panahy asehon’Andriamanitra amin’ny olona, na dia amin’ireo tsy mendrika izany aza, ka ahazoan’ny mpanota famelan-keloka sy famonjena mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy.” (Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika-Anglisy, 1889, p. 666) Misy teny grika hafa (karisma) mifandray akaiky amin’ny karis. Hoy i William Barclay: “Ny tena hevitr’ilay teny [karisma] dia fanomezana maimaim-poana ho an’izay tsy mendrika izany, zavatra omena olona tsy nanao na inona na inona mba hahazoana izany, sady tsy mendrika an’izany.”​—Diksioneran’ny Testamenta Vaovao, 1956, p. 29; ampit. 2Ko 1:11.

Mifanitsy tsara amin’ilay teny grika hoe karis ilay teny malagasy hoe “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa”, rehefa ilay heviny voalaza teo no dikany, izany hoe hatsaram-panahy haseho amin’izay tsy mendrika an’izany, toy ny hatsaram-panahin’i Jehovah.​—As 15:40; 18:27; 1Pe 4:10; 5:10, 12.

Mendrika ny hahazo karama ny mpiasa, ary manantena izany izy satria zony sy trosa tokony haloa aminy izany. Tsy manao fanomezana na maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa àry ilay mandoa ny karamany. (Ro 4:4) Tena hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa no ilain’ny mpanota voaheloka ho faty (ary isika rehetra dia teraka mpanota) mba hanafahana azy sy hanambarana azy ho marina. (Ro 3:23, 24; 5:17) Lazaina fa meloka ho faty kokoa ireo teraka teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna, satria nampiharihary ny naha mpanota azy ilay fifanekena. Tokony hotadidina koa anefa fa ny Jiosy no nanehoana hatsaram-panahy bebe kokoa, satria izy ireo no voalohany notolorana famonjena.​—Ro 5:20, 21; 1:16.

Tena miavaka ilay hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra tamin’ny olona rehetra. Tsy inona izany fa ny fanafahana entin’ny vidim-panavotana amin’ny alalan’ny ran’i Kristy Jesosy, ilay Zanaka malalan’i Jehovah. (Ef 1:7; 2:4-7) Io hatsaram-panahy tsy manam-paharoa io no amonjen’Andriamanitra ny karazan’olona rehetra (Tit 2:11), ary niresaka momba izany ny mpaminany. (1Pe 1:10) Marina àry ny tenin’i Paoly hoe: “Raha noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izany, dia tsy noho ny ataon’ny olona intsony. Raha tsy izany, dia tsy ho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa intsony ilay hatsaram-panahy.”​—Ro 11:6.

I Paoly no niresaka be indrindra momba ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra, satria hita in-90 ao amin’ireo taratasiny 14 izany. Niresaka momba ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra sy ny an’i Jesosy izy teo am-panombohana ny taratasiny rehetra, ankoatra ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Mbola niresaka momba izany koa izy teo am-pamaranana ny taratasiny rehetra mihitsy. Misy mpanoratra hafa koa nanao toa an’i Paoly teo am-panombohana sy teo am-pamaranana ny taratasiny.​—1Pe 1:2; 2Pe 1:2; 3:18; 2Jn 3; Ap 1:4; 22:21.

Tena rariny raha nanasongadina ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra i Paoly, satria “mpanevateva an’Andriamanitra” izy taloha, sady “mpanenjika no mpanambany olona.” Hoy izy: “Nahazo famindram-po anefa aho, satria noho ny tsy fahalalako sy ny tsy finoako no nanaovako izany. Fa lehibe indrindra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’ny Tompontsika, sy ny finoana, ary ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy.” (1Ti 1:13, 14; 1Ko 15:10) Tsy toa an’ireo olona nanao hadalana nanda an’izany hatsaram-panahy izany i Paoly, (Jd 4) fa noraisiny tamim-pifaliana sady nankasitrahany kosa izany. Nampirisihiny koa ny hafa mba handray izany ary “tsy hanadino ny zava-kendren’izany.”​—As 20:24; Ga 2:21; 2Ko 6:1.