Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hatsaran-toetra

Hatsaran-toetra

Toetra tsara, fitondran-tena tsara. Tsara amin’ny lafiny rehetra ny hatsaran-toetra, izany hoe tsy misy zava-dratsy mihitsy. Manao zavatra tsara sy manasoa ny hafa ny olona tsara toetra. Ny teny hebreo hoe tôhv sy ny teny grika hoe agatôs matetika no nadika hoe “tsara.” Misy teny hafa koa anefa ampiasain’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao malagasy, anisan’izany ny hoe “soa”, “zava-tsoa”, “mety.” Fitondran-tena na fivavahana matetika no ampiasana ny hoe agatôs.

Hatsaran-toetran’i Jehovah. Tsy manam-paharoa ny hatsaran-toetran’i Jehovah Andriamanitra, ary izy no tsara toetra indrindra. Hoy ny Soratra Masina: “Tsara toetra sy mahitsy i Jehovah”, ary “lehibe tokoa ny hatsaran-toetrany.” (Sl 25:8; Za 9:17) Tsara toetra sy tsara fitondran-tena koa i Jesosy Kristy. Niantso azy tamin’ny anaram-boninahitra hoe “Mpampianatra Tsara” ny olona iray, nefa tsy nanaiky atao hoe “Tsara” izy. Hoy izy tamin’ilay olona: “Nahoana aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.” (Mr 10:17, 18) Nanaiky àry i Jesosy hoe i Jehovah ihany no tena filamatra momba ny atao hoe tsara.

Nangataka ny hahita ny voninahitr’i Jehovah i Mosesy. Hoy anefa i Jehovah: “Avelako hahita ny hatsaran-toetrako rehetra ianao, ary hambarako eo anatrehanao ny anaran’i Jehovah.” Notakonan’i Jehovah tamin’ny felatanany i Mosesy mba tsy hahita ny endriny, rehefa nandalo izy (azo inoana fa nampiasa anjely iray nisolo tena azy izy tamin’izay [As 7:53]). Hoy i Jehovah tamin’izay: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy, tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana, mitahiry hatsaram-panahy feno fitiavana ho an’ny taranaka an’arivony, mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana, kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy izay tokony hosazina.”​—Ek 33:18, 19, 22; 34:6, 7.

Hita amin’izany fa izay tsara toetra dia mamindra fo, maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, tia ny fahamarinana, ary tsy manala tsiny ny ratsy na manampy an’izay manao ratsy. Izany no nahatonga an’i Davida hiangavy an’i Jehovah mba hamela ny fahotany, ‘noho ny hatsaran-toetran’i Jehovah.’ (Sl 25:7) Ny hatsaran-toetran’i Jehovah sy ny fitiavany no nahatonga azy hanome ny Zanany ho sorona noho ny fahotantsika. Nampiasa an’izany fomba izany i Jehovah mba hanampiana an’izay tia ny tsara, sy hanamelohana ny ratsy, ary hanajana tanteraka ny rariny sy ny hitsiny.​—Ro 3:23-26.

Vokatry ny fanahy. Anisan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny hatsaran-toetra, sady vokatry ny mazava avy ao amin’ny Tenin’ny fahamarinana. (Ga 5:22; Ef 5:9) Mila miezaka hanana hatsaran-toetra ny Kristianina, ary manampy azy amin’izany ny fankatoavana an’i Jehovah. Tsy misy olona ho tsara toetra fotsiny amin’izao mantsy. (Ro 7:18) Andriamanitra no mahatonga ny olona ho tsara toetra, ka niangavy toy izao ny mpanao salamo: “Hatsaran-toetra sy fahendrena ary fahalalana no ampianaro ahy, fa ny didinao no inoako.” Hoy koa izy: “Tsara ianao sady manao ny tsara. Ampianaro ahy ny fitsipikao.”​—Sl 119:66, 68.

Mahasoa ny hatsaran-toetra. Mety hidika koa hoe fanaovan-tsoa ny hatsaran-toetra. Te hanao soa amin’ny olony i Jehovah, ka izany no antony nilazan’ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristianina tany Tesalonika hoe: ‘Mivavaka mandrakariva ho anareo izahay, mba hahatonga an’Andriamanitsika hihevitra anareo ho mendrika ny fiantsoany, ary hanatanterahany amin-kery izay tsara rehetra sitraky ny fony, mbamin’ny asam-pinoana rehetra.’ (2Te 1:11) Imbetsaka mihitsy Andriamanitra no naneho hatsaran-toetra tamin’izay nitady azy. (1Mp 8:66; Sl 31:19; Is 63:7; Je 31:12, 14) “Tsara fanahy amin’ny rehetra [koa] i Jehovah, ary hita eo amin’ny asany rehetra fa mamindra fo izy.” (Sl 145:9) Manao soa amin’ny rehetra izy satria tiany ho maro ny ho voasariky ny hatsaran-toetrany ka ho lasa mpanompony, ary satria koa tiany hahazo ny fiainana izy ireny. Mandray soa koa izay mifandray amin’ny olona tsara toetra.​—Oh 11:10.

Mpanompon’Andriamanitra ny Kristianina ary manahaka azy. Asaina àry izy ireo hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sy tonga lafatra. (Ro 12:2) Tokony hifikitra amin’ny tsara izy ireo (Ro 12:9), hanao izay tsara (Ro 2:10; 13:3), hanao soa (1Te 5:15), hafana fo amin’izay tsara (1Pe 3:13), haka tahaka ny tsara (3Jn 11), ary handresy ny ratsy amin’ny tsara (Ro 12:21). Tokony hanao soa amin’ny rehetra izy ireo, indrindra fa amin’ny mpiray finoana aminy.​—Ga 6:10.

Teny mifandray aminy. Mitovitovy hevitra amin’ilay teny nadika hoe tsara (agatôs) ilay teny grika hoe kalôs, izay midika hoe tsara, kanto, mifanaraka amin’ny zava-misy na amin’izay ilana azy (toy ny tany tsara; Mt 13:8, 23). Midika koa izy io hoe ambony karazana, ohatra hoe tsara, na mety, na mendri-kaja (toy ny anaran’Andriamanitra; Jk 2:7). Mitovy be amin’ny hoe tsara ny dikan’ny hoe kalôs. Navahana ihany anefa izy io rehefa nadika hoe “faran’izay tsara”, “mety”, “amim-pahamarinana”, ary “tena tsara.”​—Mt 13:45; 15:26; 2Ko 8:21; 1Ti 4:4.