Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Havandra

Havandra

Orana tratry ny hatsiaka ka mirotsaka mivaingana toa vato madinika. Hita ao amin’ny Baiboly fa manimba zavatra sy mampidi-doza ny havandra. Marina izany rehefa jerena izay nitranga tany amin’ny faritra maro. Tamin’ny 1985, ohatra, dia nisy havandra nahafaty olona 20 mahery sy nandratra olona 300 hafa, tany Brezila. Mety ho tena ngezabe toy ny atody na pamplemosy mihitsy aza ny havandra, rehefa mafy be ny oram-baratra. Nitsimpona havandra nanana savaivo 20 sm teo ho eo sy nilanja 0,88 kg ny olona tany Dakota Atsimo (Etazonia), taorian’ny oram-baratra tamin’ny 23 Jolay 2010. Mahatratra 160 km/ora eo ho eo ny hafainganam-pandehan’ireny havandra vaventy ireny, rehefa milatsaka. Tena manimba voly ny havandra. Mety hitentina an-tapitrisany dolara ny fahasimbana ateraky ny oram-baratra arahina havandra indray mandeha monja.

Nandatsaka havandra i Jehovah. Nampiasa havandra i Jehovah indraindray mba hanatanterahana ny teniny sy hampisehoana ny heriny lehibe. (Sl 148:1, 8; Is 30:30) Ny loza fahafito namely an’i Ejipta no fitantarana voalohany manaporofo izany. Nanimba ny zavamaniry sy ny hazo ny havandra, ary nahafaty olona sy biby be dia be teny an-tsaha. Tsy nisy havandra kosa tany amin’ireo Israelita tany Gosena. (Ek 9:18-26; Sl 78:47, 48; 105:32, 33) Nandatsaka havandra vaventy koa i Jehovah tatỳ aoriana, mba hamelezana an’ireo Amorita, tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nivondrona mba hiady tamin’ny Gibeonita mantsy ny mpanjaka amorita dimy, ka nanampy an’ireo Gibeonita ny Israelita teo ambany fitarihan’i Josoa. Betsaka kokoa no matin’ny havandra noho ny maty tamin’ilay ady.​—Js 10:3-7, 11.

Heviny an’ohatra. Nasian’i Jehovah tamin’ny havandra koa anefa ny Israelita, rehefa nivadika taminy. (Hg 2:17) Ankoatra izany, dia nolazainy fa ho toy ny “oram-baratra arahina havandra” ny tafika asyrianina rehefa handrava ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely. (Is 28:1, 2) Nampitovina tamin’ny havandra koa ny Babylonianina, ary voalaza fa hopaohiny ‘ny lainga fialofan’i Joda’, izany hoe ny fifanekena nifanaovan’i Joda tamin’i Ejipta mba handefa tafika hanampy azy.​—Is 28:14, 17; 31:1-3.

Milaza ny Apokalypsy fa nisy havandra nilatsaka rehefa nitsoka ny trompetrany ny anjely voalohany tamin’ireo anjely fito nitana trompetra, ary toy izany koa rehefa novohana ny toerana masin’ny tempolin’Andriamanitra tany an-danitra. (Ap 8:2, 7; 11:19) Avy eo, rehefa nararaka ny tao anatin’ny vilia fahafito tamin’ireo vilia fiton’ny fahatezeran’Andriamanitra, dia nisy havandra an’ohatra nilatsaka tamin’ny olona ratsy fanahy, ka tokony ho roapolo kilao avy ny lanjany.​—Ap 16:1, 17, 21.

‘Ho amin’ny andro anaovana ady.’ Niteny tamin’i Joba avy tao anatin’ny tafio-drivotra i Jehovah hoe efa nitahiry havandra ao amin’ny trano fitehirizana izy, “ho amin’ny andro anafihana sy anaovana ady.” (Jb 38:1, 22, 23) Tsy mahagaga àry raha milaza ny Baiboly fa handatsaka havandra Andriamanitra mba hamelezana an’i “Goga” izay hanafika ny vahoakan’Andriamanitra.​—Ezk 38:18, 22.