Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Havila

Havila

(Havìla) [[Faritry ny] Fasika].

1. Faritra ‘nohodidinin’i’ Pisona, iray tamin’ireo renirano efatra nivoaka avy tao Edena. Tsara ny volamena tany, ary nisy hazo matambelo sy vato oniksa koa tany. (Ge 2:10-12) Tsy hay marina hoe taiza no nisy an’i Havila, satria tsy fantatra ilay Reniranon’i Pisona. (Jereo PISONA.) Misy milaza fa mety ho tany Arabia i Havila, satria fahita any Arabia ireo harenan’ilay tany ireo. Nanazava i J. Simons fa mety ho ny Saikinosin’i Arabia ilay “faritr’i Havila manontolo” resahin’ny Baiboly. Sarotra inoana anefa hoe ‘nahodidina’ an’ilay saikinosy ny Reniranon’i Pisona.​—Ny Toetoetry ny Toerana Resahin’ny Testamenta Taloha, Leyde, 1959, p. 40, 41.

2. Faritra nipaka hatrany amin’ny Saikinosin’i Sinay na teny akaikiny, izay azo inoana fa nisy ny Tany Efitr’i Sora. (Jereo SORA.) Voalaza mantsy fa “nonina tany amin’ny faritra rehetra hatrany Havila teny akaikin’i Sora, tandrifin’i Ejipta, ka hatrany Asyria” ny Ismaelita. (Ge 25:18) Hatrany amin’ny Saikinosin’i Sinay sy ny faritra avaratr’i Arabia ka hatrany Mezopotamia àry ireo Ismaelita no nifindrafindra monina. Nasian’i Saoly Mpanjaka “hatrany Havila ka hatrany Sora, tandrifin’i Ejipta” ny Amalekita. (1Sa 15:7) Mety ho ny sisiny avaratrandrefan’ny Saikinosin’i Arabia io “Havila” io, satria tonga hatrany ny sisin-tanin’ny Amalekita. Ny Tany Efitr’i Sora any amin’ny Saikinosin’i Sinay kosa no sisin-taniny iray hafa. Toy izao no anazavan’ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny an’ilay andininy: “Manomboka eo amin’ilay tany efitra any Nejd [lembalemba] avaratr’i Arabia, ka hatrany amin’ilay faritra avaratr’i Suez any Ejipta.” (Nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky 1, p. 101) Toa ny faritra avaratrandrefan’ny Saikinosin’i Arabia àry no nantsoina hoe Havila, na mety ho faritra lehibe kokoa.

3. Zanakalahin’i Kosy zanak’i Hama. (Ge 10:6, 7) Manam-pahaizana maro no milaza fa anarana faritra koa ilay hoe “Havila” eto, ary mety ho niantsoana an’ilay faritra nonenan’ny taranak’io zanak’i Kosy io. Toa nifindra monina nankany Afrika sy Arabia ny ankamaroan’ny taranak’i Kosy, raha vao niparitaka avy tao Babela. (Ge 11:9) Maro àry no mihevitra fa tany amin’ilay faritra antsoin’ny soratra sabeanina fahiny hoe Haolan no nonenan’ny taranak’i Havila zanak’i Kosy. Manomboka eo amin’ny morontsiraka atsimoandrefan’i Arabia ka hatrany avaratr’i Yémen ankehitriny no misy azy io. Misy koa milaza fa niampita ny Ranomasina Mena ny sasany tamin’ireo taranak’i Havila ireo tatỳ aoriana, ary nankany amin’ny faritr’i Djibouti sy Somalia ankehitriny, atsy Afrika. Mbola ahitana an’ilay anarana fahiny angamba ny anaran-tanàna hoe Aualis tany Somalia. (Ny Diksioneran’ny Baiboly, nataon’i J. Hastings, 1903, Boky II, p. 311) Mety ho avy tany Afrika koa anefa izy ireo no nifindra monina nankany Arabia. Mirefy 32 km eo ho eo monja mantsy i Bab el-Mandeb, ilay andilan-dranomasina eo amin’ny Ranomasina Mena manasaraka an’i Arabia sy Djibouti atsy Afrika.

4. Zanakalahin’i Joktana sady taranak’i Sema avy tamin’i Arpaksada. (Ge 10:22-29) Toa nitovy tamin’ny anaran’ny zanak’i Joktana hafa, toa an’i Hazarmaveta sy Ofira, ny anaran-toerana sasany tany amin’ny faritra atsimon’i Arabia. Azo inoana àry fa nanorim-ponenana tany Arabia koa io Havila io sy ny taranany, na dia tsy voatery hoe tany atsimo aza. Misy milaza fa toerana iray ihany no nisy azy ireo sy ny taranak’i Havila zanak’i Kosy, satria mitovy ny anarany. Tsy tena mitombina anefa izany, sady samy hafa fiaviana izy ireo. Mety ho ny taranak’i Havila avy tamin’i Sema koa no nonina tany amin’ilay faritra atsimoandrefan’i Arabia nantsoina hoe Haolan (voaresaka eo amin’ny No. 3), satria mbola tsy tena voaporofo hoe tany no nonina ny taranak’i Havila zanak’i Kosy. Azo inoana kokoa anefa hoe ny taranak’i Havila zanak’i Kosy no nonina tany, satria tany Afrika no nisy an’i Haolan sady akaikin’i Etiopia (ny tanin’i Kosy). Mety ho tany amin’ny faritra avaratr’i Arabia àry no nonina ny taranak’i Havila avy tamin’i Sema. Izany angamba no nahatonga an’ilay faritra etsy amin’ny No. 1 hantsoina hoe Havila.