Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Havoana

Havoana

Dongon-tany voajanahary iva kokoa noho ny tendrombohitra no dikan’ilay teny hebreo hoe givʽah sy ilay teny grika hoe bonôs. Tsy takona afenina ireo havoana dombodombo any Jodia, nefa ahitana azy ireny koa any amin’ny faritra hafa any Palestina.

Natao toeram-pandevenana sy toeram-piafenana ny havoana indraindray. (Js 24:33; 1Sa 23:19; 26:1) Matetika koa no naorina teny ny trano na ny tanàna. Teny an-kavoana, ohatra, ny tranon’i Abinadaba izay nametrahana ny Vata misy ny fifanekena, nandritra ny 70 taona teo ho eo.​—1Sa 7:1, 2.

Tena lehibe i Jehovah, ilay Mahery Indrindra. Nasongadin’i Isaia mpaminany izany, rehefa nilaza izy fa “mandanja ny havoana amin’ny mizana” i Jehovah. (Is 40:12) Voalaza hoe “maharitra mandrakizay” sy “maharitra hatramin’ny fotoana tsy voafetra” ny tendrombohitra sy ny havoana. Mbola maharitra noho izany anefa ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehon’Andriamanitra sy ny fifanekem-pihavanana ataony.​—Is 54:10; Ge 49:26; De 33:15.

Matetika ireo mpitondra tany Atsinanana fahiny no naniraka olona mba hanomana ny lalany, rehefa handeha lavitra. Nesorina, ohatra, ny vato, nototofana ny lavadavaka, naravona ny mikitoantoana, ary naetry mihitsy aza ny havoana indraindray. Toy ny hoe naetry ireo havoana rehefa nesorina izay rehetra nanakantsakana ny Jiosy tsy ho tafaverina soa aman-tsara tany Jerosalema avy tany Babylona, tamin’ny 537 T.K. Faminaniana momba izay ataon’i Jaona Mpanao Batisa mba hanomanana ny fahatongavan’ny Mesia koa izy io.​—Is 40:4; Lk 3:1-6.

Matetika ny Israelita no nanompo sampy teny an-kavoana, toa an’ireo Kananita. (De 12:2; 1Mp 14:23; 2Mp 17:9, 10; Is 65:7; Je 2:20; 17:1-3; Ezk 6:13; 20:28; Ho 4:13) Izany no nahatonga azy ireo hamaly toy izao, rehefa niangaviana hiverina tamin’i Jehovah: “Indreto izahay manatona anao, fa ianao, Jehovah ô, no Andriamanitray! Fa zava-poana tokoa ireo havoana sy ny tabataba eny an-tendrombohitra.” (Je 3:22, 23) Faminaniana izy io, raha ny marina.

Tena mety àry raha naminany i Isaia sy Mika hoe ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra “ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”, ka hasandratra ho avo noho ireo havoana. (Is 2:2; Mi 4:1) Ireo olona tsy manao ny sitrapon’i Jehovah kosa hilaza toy izao amin’ny tendrombohitra, rehefa handringana i Jehovah: “‘Saròny izahay!’, ary amin’ny havoana hoe: ‘Mianjerà aminay!’”​—Ho 10:8; Lk 23:30; ampit. Is 2:19; Ap 6:16, 17.