Hazerota
(Hazeròta) [Tokotany; Tanàna Kely].
Toerana farany nitobian’ny Israelita talohan’ny hahatongavany tany an-tany efitr’i Parana. (No 11:35; 12:16; 33:17, 18; De 1:1) Tao Hazerota no lasa boka i Miriama, rehefa nanakiana ny fahefan’i Mosesy izy sy Arona sady nanome tsiny an’i Mosesy noho izy nanambady Kosita. (No 11:35; 12:1-16) Milaza ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa i ʽAin Kadra no Hazerota, any amin’ny 60 km eo ho eo any avaratratsinanan’ilay toerana lazain’ny lovantsofina fa misy ny Tendrombohitra Sinay.