Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazo Fijaliana

Hazo Fijaliana

Hazo sahala amin’ilay namantsihana an’i Jesosy Kristy. (Mt 27:32-40; Mr 15:21-30; Lk 23:26; Jn 19:17-19, 25) Tsato-kazo mahitsy na hazo no dikan’ilay teny grika (staorôs) nadika hoe “hazo fijaliana” ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsy voaporofo mihitsy hoe tsato-kazo misy hazo mitsivalana ny hoe staorôs, tamin’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina.​—Jereo FANTSIHANA AMIN’NY HAZO; Fanazavana Fanampiny (TV), p. 1879-1881.

Hoy ilay boky hoe Ny Lakroan’ny Tsy Kristianina, nosoratan’i John Parsons: ‘Ireo boky maro be ao amin’ny Testamenta Vaovao, amin’ny teny grika tany am-boalohany, dia tsy ahitana porofo mihitsy fa hafa noho ny staorôs tsotra no nampiasaina tamin’i Jesosy. Tsy misy fehezanteny milaza izany ao na iray aza, eny fa na dia tsy mivantana aza. Tsy misy porofo mihitsy koa ao hoe hazo roa natambatra ho lakroa ilay izy. Tena mamitaka ireo mpampianatra antsika satria adikany hoe “lakroa” ny hoe staorôs, rehefa mandika ny sora-tanana grika amin’ny fitenintsika izy. Mamitaka koa izy ireo satria mampiditra izany dikan-teny izany ao amin’ny rakibolana, nefa tsy manazava akory hoe tsy izany mihitsy no tena heviny tamin’ny andron’ny Apostoly. Tsy hazavainy koa fa efa ela be tatỳ aoriana vao nanana izany heviny izany ny hoe staorôs, rehefa noheverina hoe miendrika lakroa ilay nampiasaina tamin’i Jesosy. Tsy fantatra anefa ny anton’izany fiheverana izany sady tsy misy porofo akory.’​—Londres, 1896, p. 23, 24.

Tsy maintsy maty teo amin’ny tsato-kazo i Jesosy. Nanaiky hankatò ny lalàna nomen’i Jehovah Andriamanitra azy ireo ny Israelita. (Ek 24:3) Tsy nahavita nankatò tanteraka azy io anefa izy ireo satria taranak’i Adama mpanota, ka lasa teo ambany ozon’ny Lalàna. Tsy maintsy nahantona teo amin’ny tsato-kazo toy ny mpanao heloka bevava voaozona àry i Jesosy, mba hanafahana azy ireo amin’ilay ozona. Hoy ny apostoly Paoly: “Voaozona izay rehetra miantehitra amin’ny asan’ny lalàna, satria voasoratra hoe: ‘Voaozona izay tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny horonam-boky misy ny Lalàna.’ ... Nividy sy nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna i Kristy rehefa nanjary voaozona hisolo antsika, satria voasoratra hoe: ‘Voaozona izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo.’”​—Ga 3:10-13.

Heviny an’ohatra. Ilazana ny fijaliana sy henatra ary fahoriana zakain’ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy ny “hazo fijaliana” indraindray. Hoy mantsy i Jesosy: “Izay tsy manaiky hitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy, dia tsy mendrika ahy.” (Mt 10:38; 16:24; Mr 8:34; Lk 9:23; 14:27) Ilazana ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny tsato-kazo koa ilay hoe “hazo fijaliana.” Io fahafatesany io no manavotra ny olona amin’ny ota sy ahafahana mihavana indray amin’Andriamanitra.​—1Ko 1:17, 18.

Ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana no nanafoana ny Lalàna nampisaraka ny Jiosy sy ny tsy Jiosy. Afaka ny ‘ho tonga vatana iray amin’ny alalan’ny hazo fijaliana’ àry izy roa tonta, raha manaiky hampihavanina amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesosy. (Ef 2:11-16; Kl 1:20; 2:13, 14) Nanafintohina Jiosy maro anefa izany, satria nanizingizina izy ireo fa ny famorana sy ny fanarahana ny Lalàn’i Mosesy ihany no ahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Nanoratra àry i Paoly hoe: “Ry rahalahy, raha toa aho ka mbola mitory momba ny famorana, nahoana aho no mbola enjehina ihany? Raha izany tokoa no ataoko, dia efa nesorina ilay zavatra manafintohina momba ny hazo fijaliana.” (Ga 5:11) Hoy koa izy: “Ireo rehetra te hiseho ho tsara eo amin’ny nofo no miezaka manery anareo hoforana, nefa izao ihany no antony anaovany izany: Mba tsy hanenjehana azy ireo noho ny hazo fijalian’i Kristy, izany hoe i Jesosy. Sanatria ahy ny hirehareha, afa-tsy ny amin’ny hazo fijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika. Izany hazo fijaliana izany no namantsihana an’izao tontolo izao, araka ny hevitro, fa namantsihana ahy kosa araka ny hevitr’izao tontolo izao.” (Ga 6:12, 14) Nenjehin’ny Jiosy i Paoly satria nilaza fa ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ihany no ahazoana famonjena. Toy ny hoe nofantsihana, izany hoe nomelohina na maty, àry izao tontolo izao, araka ny heviny. Izao tontolo izao kosa nihevitra azy ho toy ny mpanao heloka bevava nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo, ka nankahala azy.

“Mitsangan-ko fahavalon’ny hazo fijalian’i Kristy” ireo olona niova ho Kristianina lasa ratsy fitondran-tena indray. (Fi 3:18, 19) Tsy mankasitraka mihitsy ny soa azo avy amin’ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana izy ireo. “Manitsaka ny Zanak’Andriamanitra” izy ireo, ary “mihevitra fa tsy dia manao ahoana ny ran’ny fifanekena nanamasinana azy.”​—He 10:29.