Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazo, II

Hazo, II

[Heb.: ʽets; gr.: dendrôn].

Samy hafa be ny toetany any Palestina sy ny tany manodidina azy, ka misy hazo isan-karazany any, toy ny sederan’i Libanona, ny antrendry any Jeriko, ary ny akasia any an-tany efitra. Miresaka karazan-kazo 30 eo ho eo ny Baiboly, ary dinihina ato amin’ity boky ity ny tsirairay aminy.

Sarotra matetika ny mamantatra hoe inona marina ilay hazo resahin’ny teny hebreo sy grika tany am-boalohany. Tombantombanana fotsiny àry ilay izy, arakaraka izay resahin’ny Baiboly mombamomba an’ilay hazo (mety ho fantatra avy amin’ny dikan’ny fototeny niavian’ny anarany) sy ny fampitahana izany amin’ny hazo maniry any Palestina ankehitriny, indrindra fa any amin’ny faritra resahin’ilay andininy. Manampy koa ny fandinihana ny teny iray tarika sy iray fiaviana amin’ny teny hebreo sy grika, toy ny teny arabo sy aramianina. Toa mety kokoa anefa indraindray raha gasiana fotsiny ilay anarana, toy ny hoe hazo algoma.

Mety ho tsy nisy tany Palestina fahiny ny ankamaroan’ny hazo maniry any izao, hoy i Harold sy Alma Moldenke, satria “miovaova be ny zavamaniry, indrindra any amin’ny faritra toa an’i Palestina sy Ejipta, izay be mponina foana” efa an’arivony taona izao. “Ny olona anefa no tena mpanimba ny tontolo iainana sy ny zavaboary izay mifampiankina tsara”, hoy koa izy ireo. “Tsy hita intsony, na zara raha misy, any amin’ny Tany Masina [Palestina] sy ny manodidina azy izao ny ankamaroan’ny zavamaniry maro be tany fahiny.” (Zavamaniry ao Amin’ny Baiboly, 1952, p. 5, 6) Fongana na vitsy kely sisa ny zavamaniry sasany satria tsy navela hiala sasatra mihitsy ny tany novolena, na satria ripaka ny ala noho ny nataon’ny tafik’i Asyria sy Babylona ary tatỳ aoriana ny tafik’i Roma. (Je 6:6; Lk 19:43) Nokaohin’ny riaka àry ny nofon-tany, ka lasa ngazana sy aolo ny faritra maro.

Efa hatramin’ny andron’i Abrahama ny olona nanao fifanekena ara-barotra hividy tany no nividy koa an’izay hazo naniry teo.​—Ge 23:15-18.

Lalàna momba ny hazo. Nentin’i Jehovah Andriamanitra tany Kanana, tany nisy “hazo fihinam-boa be dia be”, ny Israely. Nampanantena izy fa hanome ny ranonorana ilaina raha mankatò azy izy ireo. Nitaky koa izy hoe homena ho an’ny toerana masina sy ny mpisorona ny ampahafolon’ny voankazo. (Ne 9:25; Le 26:3, 4; 27:30) Tsy navelany hanimba ny hazo fihinam-boa ny Israelita nanafika an’ireo tanàna tao Kanana. Nomeny alalana hanimba ny “hazo tsara rehetra” tany Moaba kosa ny mpanjakan’ny Joda sy Israely, tatỳ aoriana, angamba satria tsy tao anatin’ny Tany Nampanantenaina izy io. Nila nofaizina mantsy ny Moabita, ary nosimbana ny hazony mba tsy hahafahany hikomy na hamaly faty. (De 20:19, 20; 2Mp 3:19, 25; ampit. Je 6:6.) Izay namboly hazo dia tsy nahazo nihinana ny voany, nandritra ny telo taona voalohany. Natokana ho an’ny toerana masina kosa ireo voankazo, ny taona fahefatra. (Le 19:23-25; ampit. De 26:2.) Taorian’izay, dia natao toy izany isan-taona koa ny voaloham-bokatra.​—Ne 10:35-37.

Heviny an’ohatra. Manana heviny an’ohatra “ny hazon’aina” sy “ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” nataon’Andriamanitra tao amin’ny zaridainan’i Edena. Tsy lavorary intsony ny olona rehefa tsy nankatò ny didiny momba ilay hazo faharoa.​—Ge 2:9, 16, 17; 3:1-24.

Misy mihevitra hoe norarana tsy hanao firaisana ny mpivady voalohany no dikan’ny hoe tsy nahazo nihinana ny voan’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” izy ireo. Diso anefa izany. Nandidy mivantana azy mivady mantsy Andriamanitra hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Ge 1:28) Inona àry no dikan’ilay hazo “fahalalana ny tsara sy ny ratsy” sy ny nandraran’Andriamanitra azy mivady tsy hihinana amin’izy io? Midika izy io fa Andriamanitra no manan-jo hamaritra ny atao hoe “tsara” (ankasitrahan’Andriamanitra) na “ratsy” (tsy ankasitrahany) ho an’ny olona. Natao hitsapana àry ilay hazo raha hanaja ny Mpamorona sy vonona hankatò azy foana ny olona. Tsy hoe voateritery anefa izy mivady fa nomena fahalalahana ka afaka nankafy tsara ny fiainany. Misalovana amin’ny anjara asan’Andriamanitra sy manohitra ny fahefany àry izay tsy mankatò, ka mihinana amin’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” efa nandrarany.​—Jereo FAHEFANA FARA TAMPONY.

Ilazana olona, mpitondra, na fanjakana koa ny hoe hazo. Toy ny hoe nokapaina, ohatra, ny hazo sedera iray avo be rehefa resy i Farao sy ny vahoakany (Ezk 31), ary tahaka ny hazo matanjaka iray ny “fanjakan’ny olombelona.” (Da 4:10-26) Hoatran’ny hazo nambolena eo amoron’ny rano mikoriana ny olo-marina (Sl 1:3), dia hazo hamoa be foana sady hirobona ny raviny, na misy hain-tany aza.​—Je 17:8.

Ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo ny androm-piainan’ny vahoakan’Andriamanitra niverina nody, hoy ny Isaia 65:22. Mazava kokoa ny dikan’izany rehefa fantatsika fa misy velona an-jatony taona, na arivo taona na mahery mihitsy aza ny hazo any Palestina. Misy hazo mamoa sy manana raviny manasitrana, tazana maniry eo amin’ny andaniny roa amin’ilay renirano mivoaka avy ao amin’ny tempoly resahin’ny fahitan’i Ezekiela. Misy fahitana toy izany koa ao amin’ny Apokalypsy. (Ezk 47:7, 12; Ap 22:2, 14) Toy ny “hazon’aina” ny tena fahendrena, ny vokatry ny fahamarinana, ny faniriana tanteraka, ary ny tenin’olona tony. Misy ifandraisany amin’ny satroboninahitry ny fiainana koa ny “hazon’aina.” (Oh 3:18; 11:30; 13:12; 15:4; Ap 2:7, 10) Hamoa sy hiadana ary hihoby ny hazo rehefa manjaka i Jehovah sy mody any amin’ny taniny ny vahoakany.​—1Ta 16:33; Sl 96:12; 148:9; Is 55:12; Ezk 34:27; 36:30.

Toa an’i Jaona Mpanao Batisa, dia naka ohatra ny amin’ny hazo i Jesosy hanasongadinana fa tokony hamoa voa tsara ny olo-marina. (Mt 3:10; 7:15-20) Nandoavana hetra mantsy ny hazo fihinam-boa sasany tany Palestina, ka tokony hokapaina sy hofongorana izay tsy namoa (toy ny efa maty) mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny tompony. (Lk 13:6-9) Toy ny hazo tsy mamoa amin’ny fararano ka indroa maty, ny olona ratsy fitondran-tena nitsofoka teo anivon’ny fiangonana kristianina. (Jd 12) Lazaina fa “indroa maty” izy ireo angamba ho fanamafisana fa maty tanteraka, na koa mety hoe 1) tsy mamoa izy ireo ka toy ny hoe maty sady 2) maty ara-bakiteny, ka tsy manan-kery.

Ilazana tsato-kazo anantonana olona koa ny hoe ʽets (heb.). (Ge 40:19; De 21:22, 23; Js 8:29; Es 2:23) Ksylôn (gr.; “hazo”) no nampiasain’ny apostoly Paoly, rehefa naka teny tao amin’ny Deoteronomia 21:23 izy.​—Ga 3:13; jereo HAZO FIJALIANA sy ny anaran’ny hazo tsirairay.