Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazo Mani-pofona

Hazo Mani-pofona

Anisan’ny zava-tsarobidy namidin’ny mpivarotra tamin’i “Babylona Lehibe.” (Ap 17:5; 18:11, 12) Toa avy any Afrika Avaratra ilay hazo, ary fanaovan’ny Romanina fahiny fanaka lafo vidy. Ny vatabeny ambany no tena lafo satria samihafa ny soritra aminy sady ahazoana tapany ngeza. Manitra sy mafy ilay hazo ary mangirana be rehefa lamaina. Miolikolika na boribory ny soritra aminy, ka nisy nisoritsoritra “toy ny tigra” na “toy ny pantera” ny latabatra vita taminy. Nampiasa hazo mani-pofona tao amin’ny tempoliny ny Grika, ary avy amin’ny teny grika midika hoe manao fanatitra dorana ny anaran’ilay hazo.

Toa ilay karazana hazo kesika Tetraclinis articulata io hazo mani-pofona io, izay anisan’ny fianakaviamben’ny siprey. Avy any Afrika Avaratra izy io, ary mirefy 4,5 ka hatramin’ny 7,5 m. Mivolontsôkôlà somary mena ilay hazo, ary misy pentimpentina tsara tarehy.